Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 28 aprily hatramin'ny 4 may 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 28 aprily hatramin'ny alahady 4 may
Fihaonambe SADC # Nahazo fiara 16 i Madagasikara
Fiara raitra Hongqi H9 2.0T miisa 16 no natolotr'i Chine ho an'i Madagasikara, noho ny fandraisana ny Fihaonambe SADC faha-45, amin'ny volana aogositra. Natao hitaterana ireo vahiny manan-kaja ho avy, izay tsy maintsy hivezivezy amina toerana maro eto an-drenivohitra, ireo fiara ireo. Handefa teknisianina hampiofana mikasika ny fikojakojana ireo fiara ireo moa ny Fanjakana sinoa.
Tsara ny mampahatsiahy fa handray ny fitantanana ny SADC i Madagasikara amin'ny volana aogositra. Maharitra herintaona moa izany fitantanana izany (2025-2026).
Vidin-tsolika # Misy fiakarany amin'ity volana May ity
Miakatra vidin'ny solika , manomboka ny alatsinainy 5 may. Ny Gasoil dia lasa 5 170 ariary/l raha 4 970 ariary/l teo aloha (199 ariary ny fiakarana. Ny Essence Sans plomb 95 kosa dia lasa 5 508 ariary/l raha 5 320 ariary/l teo aloha (188 ariary ny fiakarana). Noho ny fiakaram-bidy teo amin'ny sehatra iraisampirenena tamin'ny volana marsa izao fampiakarana izao. Mbola miakatra ihany koa moa ny vidin'ny solika fandrehitra (Pétrole), ka lasa 3 230 ariary/l raha 3 030 ariary/l teo aloha (200 ariary ny fiakarana), na dia efa nampitaraina tantsaha maro aza.
Nanambara ny filoham-pirenena, nandritra ny fivahinianany tao amin'ny TVM, fa hidina 70 ariary indray ny vidin-tsolika amin’ny volana Jona, ary mbola hidina 200 ariary amin’ny volana Jolay.
Kanto sy sarimihetsika Malagasy # Nodimandry i Mura Khang Chan
Ny sarimihetsika Malagasy "Lolita" no tena nahafantaran'ny maro an'i Mura Khang Chan na Carène Doan. Nodimandry ny alin'ny alarobia 30 aprily lasa teo ny tenany.
Mpanakanto feno i Mura satria tsy nijanona tamin'ny filalaovana sarimihetsika ihany, fa fanta-daza tamin'ny sehatry ny hira ihany koa. Mpikambana tao amin'ny GMMC izy, sady nanana ny hirany manokana. Ankoatr'izay, nanan-talenta tamin'ny famoronana lamaody izy. Nampitondrainy ny anarana hoe "Ca.Do" (Carène Doan) ireo asa tanany rehetra, na akanjo na kitapo.
Lozam-pifamoivozana # Olona 4 no niara-maty teny By-pass
Nitrangana lozam-pifamoivozana mahtsiravina teny amin'ny By-pass, mifanandrify amin'ny Elgeco Plus, ny alin'ny 30 aprily lasa teo. Nisy fiara nisongona ka nifaoka ireo tamin'ny ampahan-dalana ilany. Vokatr'izany, aina 4 no nafoy, ka mpianakavy Kely ny telo : mpivady sy ny zanany vavy. Nikasa hamonjy fodiana teny Ankaraobato izy ireo no niharan-doza. Voalaza moa fa teratany vahiny no nitondra ilay fiara nirimorimo nandona izay nifanena taminy. Potika tanteraka moa ilay fiara nisy ireo olona maty, ary nisy fiara iray hafa simba ihany koa. Nangataka manokana ny fianakavian'ireo maty mba hampiharana sazy hentitra ho an'ireo mpamily rehetra izay nandray alikaola nefa mbola minia mamily.
Fadintseranana Malagasy# Fanatsarana ny fahaiza-manao
Manoloana ny firoboroboan’ny fanatontolona dia mila milahatra amin’ny fenitra iraisam-pirenana eo amin’ny lafiny fitaovana sy amin’ny fomba fiasa koa ny Fadintseranana. Amin’izao fotoana izao tokoa mantsy, na dia entana eritreretina tsy hampidi-doza aza dia afaka ahodin’ireo mpanao ratsy ho fitaovam-piadiana mahery vaika.
Izany indrindra no antony nandefasan’ny Fadintseranana solotena handray anjara tamin’ilay atrikasa natao ho amin’ny fananganana rafitra ara-dalàna mikasika ny fanaraha-maso ny fanafarana sy fivarotana ireo entana stratejika sy midi-droa, ny 28 sy 29 aprily lasa teo. Sampandraharaha roa avy amin’ny Fadintseranana no nandray anjara tamin’izany, dia ny Service Législation et de la Règlementation, ary ny Service Surveillance du Territoire et de la Lutte contre la Contrebande.
Intelligence Artificielle # Nandray anjara tamin'ny GEM 2025 tany Harvard i Madagasikara
Nandray anjara tamin’ny Global Empowerment Meeting (GEM 2025) tany Harvard i Madagasikara, ny 28 sy 29 aprily lasa teo, araka ny lohahevitra hoe « Catalyzing AI for Inclusive Change ».
Nampahafantarin'ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, Stéphanie Delmotte, nandritra izany ny vinan'i Madagasikara momba ny nomerika ho an’ny rehetra sy maharitra izay mifototra amin'ny famoronana "Digital Center" na ivon-toeran'ny haitao ara-kajy mirindra isaky ny renivohi-paritany. Eo ihany koa ny fampivelarana ny fahaiza-manao nomerika eto an-toerana. Izany rehetra izany no atao dia mba hahatratrarana ny tanjona "Nomerika ho amin’ny fampandrosoana ny olom-pirenena sy ny faritra".
Ambohidratrimo # Tovolahy namono nahafaty ny rainy niteraka azy
Nahitana fatin'olona novonoina tamin'ny fomba feno habibiana teo Tanimalalaka Fkt Ambohitrambo. Saika feno lavaka ny vatan'Itompokolahy. Nametraka fitoriana avy hatrany moa ny fianakaviana ka niroso tamin'ny famotorana ny Brigade Talatamaty.
Taorian'ny tsongodia, fitsirihana sy fakàna angom-baovao amin'ny lafiny maro dia fantatra fa ny zanany lahy ihany no nahavita nandatsaka ny ain'ny rainy, niarahany tamin'ny namana roalahy. Nentin-drainy nanao andrana teknika fiara mantsy ilay tovolahy, izay niaraka tamin'ny namany. Novelesin'izy roalahy ireo tamin'ny maritoa no sady nokendaina ilay raim-pianakaviana, ary ilay zanany lahy no namarana ny habibiana tamin'ny tsatok'antsy. Natolotra ny fitsarana ny raharaha ka notanana am-ponja any Tsiafahy avokoa izy 3 lahy.
Ivato # Volamena nafenina tanaty Rice Cooker
Vovo-bolamena milanja 3,855 kilao no tra-tehaka tanaty Rice Cooker.
Saika hiondrana any Dubaï tamin’ny alalan’ny zotra Ethiopian Airlines ET 852, ny lehilahy teratany Sri-lankais iray ny 3 may lasa teo. Rehefa nampandalovina Scanner ny entany dia tsikaritra fa nisy zavatra nampiahiahy. Nisy vovo-bolamena nafenina tanaty fonosona « papier aluminium » ary nasitrika tao anaty « rice cooker » tao anatiny.
Atao famotorana eo anivon’ny Service des Renseignements et de l’Enquête ao amin’ny Fadintseranana ity lehilahy ity mialoha ny handefasana azy eny anivon’ny fitsarana. Ireo volamena kosa dia naterina avy hatrany eny amin’ny Banky foiben'i Madagasikara.
Ambohimanambola # Zazakely 3 taona niharan'ny fanolanana
Zazalahy 16 taona monina Tanjonandriana Ambohimanambola no nanolana zazavavikely 3 taona. Tovolahy tezaina ao amin'ny fianakaviana ihany ity nahavanon-doza ity. Nampiasany savony mihitsy ilay zaza nanamorana ny asa ratsiny. Ankizy mpiara-milalao amin'ilay zazavavikely no nitantaran'ity farany ny nanjo azy. Io namany io, somary efa lehibebe, no nitantara tamin'ny renin'ilay zaza.
Efa misy moa ny fikarakarana ara-pahasalamana sy tohana ara-tsaina atao amin'ilay zaza niharan'ny fanolanana.
CUA # Fiaraha-miasa amin'ny tananan'i Montpellier
Diplaomasian’ny Tanàn-dehibe. Nandray anjara tamin'ny Kongresy faha-45 tany Hué (Vietnam) ny Fikambanana Iraisam-pirenenan’ny Ben’ny Tanàna miteny Frantsay (AIMF), ka tafiditra tao anatin'izany ny Ben'ny Tananan'Antananarivo, Harilala Ramanantsoa. Nisy ny fifampizaràna traikefa sy fifanakalozan-kevitra momba ireo olana lehibe manjo an-tanàn-dehibe. Nasongadina manokana ny mikasika ny fitantanana ny loza sy risika, sy ny fizahantany maharitra sy lova ara-kolontsaina.
Nankatoavin’ny biraon'ny AIMF ny tolo-kevitry ny tanànan'Antananarivo hampiantrano Sekoly Fampianarana Sarimihetsika sy Famoronana nomerika, miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tanànan’i Montpellier (Frantsa), izay efa fantatra amin’ny maha-sekoly tsara indrindra eran-tany amin’ny sokajy “vokatra manokana”.
CUA # Mitohy ireo asa fanatsarana ny tanàna
Tsy tapitra tamin'ny fandraisana ny Fihaonambe COI akory ny fikarakarana an'Antananarivo Renivohitra. Tamin'iny herinandro lasa iny, ny lalana manoloana ny Lycée JJ Rabearivelo, mandroso toy ny ho any Soarano, no nasiam-panamboarana. Fanavaozana moa no natao. Mitohy hatrany ihany koa ny fanadiovana sy fanaraha-maso ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Ho fanamafisana ny fahadiovan’ny lalambe, misy ny tetikasa maharitra amina toerana be mponina sy mpivezivezy eto Antananarivo : Ankorondrano, Antanimena, Behoririka, Soarano, Analakely sy ny manodidina, Antaninarenina, Ambohijatovo, Ambohidahy, Anosy, Mahamasina, Ampefiloha ary Andavamamba.
3 may # Andro Iraisampirenena ho an'ny Mpamonjy voina
Ny sabotsy 3 May lasa teo, nisokatra ho an’ny besinimaro ny Tobin’ny Mpamonjy Voina Tsaralalàna, ho fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Mpamonjy Voina. Hetsika isan-karazany no nanamarihana izany, ka anisan'ny tena nanintona ny maro ny fampirantiana momba ny fitaovana sy fiara, ny fampisehoana famonoana afo sy vonjy aina ary ny fampahafantarana ireo fepetra vonjy taitra ho an’ny mpianatra. « Alohan’ny hahatongavan’ny mpamonjy voina, efa afaka mamonjy aina ireo mpianatra efa nianatra izany », hoy Andriamatoa Ralaivaonoro Eric Olivier, Lehiben’ny Mpamonjy Voina. Nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana ary fanalana nify maimaimpoana. Tsy adino ny fanaovana asa soa, tamin'ny alalan'ny fanomezan-dra.