Ankohonana : tsy tokony mifanditra imason’ny ankizy ny mpivady
Toe-javatra tsy maintsy misy eo amin’ny mpivady ny fifamaliana. Tsy tsara nefa ny mifamaly eo imason’ny ankizy. Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny zanaka ny fahitana ny ray aman-dreny mifamaly ary mitombo tsikelikely izany miankina amin’ny hatetika sy ny hamafin’ny fifandirana. Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny ankizy ? Ahoana no atao hiarovana azy ireo ?
Ny fiantraikan’ny fifandiran’ny mpivady eo amin’ny ankizy
Mety misy fiantraikany lehibe eo amin’ny ankizy ny fifandiran’ny mpivady na dia tsy misy hidiran’izy ireo mivantana aza ilay fifamaliana. Ireto manaraka ireto ny santionany amin’izany.
Tebiteby sy ny rarin-tsaina
Mety hahatsapa tebiteby sy rarin-tsaina lalina ny ankizy rehefa mahita ny ray aman-dreny mifanditra eo imasony. Izany dia mety hahatonga fikorontan’ny torimaso, fahakizitinana na fitaintaina lava mikasika ny ho avin’ny ankohonana eo amin’izy ireo.
Fitondran-tena manakorontana
Ny ankizy mahita matetika ny ray aman-dreniny mifamaly dia mety lasa hanana fitondran-tena manakorontana, toy ny herisetra, tsy fanajana na tsy fahafahana mifehy ny fihetseham-po. Mety hanaraka ny fitondran-tena miiba an’ireo ray aman-dreniny izy ka lasa ho mora entim-po na mahery setra.
Olana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa
Rehefa lehibe anaty ankohonana feno fifamaliana sy fifandirana ny ankizy dia mety lasa hanana fahasahiranana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa any aoriana. Mety ho sarotra aminy ny hanome fitokisana amin’ny hafa.
Fikorontanana ara-pihetseham-po
Mety mitarika fikorontanana ara-pihetseham-po eo amin’ny ankizy ny adiady sy fifamaliana lava ny ray aman-dreny ao an-tokantrano. Anisan’izany fikorontanana ara-pihetseham-po izany ny fahaketrahana, ny « troubles anxieux »… Mety hanamelo-tena ihany koa izy ireo satria mieritreritra fa avy aminy no mahatonga ny fifandirana eo amin’ny ray aman-dreniny.
Olana amin’ny fianarana
Mety misy fiantraikany amin’ny fifantohana sy ny fahazotoan’ny ankizy amin’ny fianarana ny fifandirana lavan’ireo ray aman-dreny eo imasony. Lasa sahirana izy mifantoka ao am-pianarana ary mety lasa tsy mahay mifandray tsara amin’ny mpiara-mianatra intsony satria mitebiteby sy miasa saina lava amin’ny zava-misy ao an-trano.
Ny torohevitra hiarovana ny ankizy
Mba hiarovana ny ankizy amin’ireo fiantraikan’ny fifamalian’ny mpivady ao an-tokantrano dia tsara arak’izany raha :
-Fadiana ny mifamaly na mifanditra lava eo imason’ny zanaka. Rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra dia tandremana tsara ny mampiarihary izany rehefa eo ny ankizy ;
-Mianatra mandravina ny disadisa anaty fitoniana sy fifanatsana mba hiarovana ny ankohonana sy ny ankizy ;
-Mandrafitra tontolo milamina ao anatin’ny ankohonana. Izany dia mahatonga ny ankizy hahatsiaro tena ho voaro na dia mandalo toe-javatra sarotra aza ny tokantrano.