• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes
Image
Sexualité & Mariage

Ahoana ny atao mba hanorenana fiainana vaovao aorian’ny « divorce » ?

29/11/2023 15:54 © Moov.Mg

Isan’ny dingana iray mavesatra sy sarotra diavina tokoa ny « divorce » na ny fisaraham-panambadiana. Mety mitarika alahelo, fahatezerana, tahotra, fahatsapan-tena ho irery, fanamelohan-tena… izany. Azo atao tsara nefa ny mitraka sy manohy ny fiainana aorian’ny « divorce ». Anisan’ireo torohevitra manampy amin’ny fanorenana fiainana vaovao ireto tanisaina manaraka ireto.

Manaiky ny toe-java-misy

Ny fomba voalohany ahafahana manorina fiainana vaovao aorian’ny « divorce » dia ny fanekena ny zava-misy. Mila manaiky ny saina sy ny fo hoe tapitra hatreo ny fanambadiana ary tsy afaka miverina any aoriana intsony rehefa mivoaka ny didin’ny fitsarana. Mety ho sarotra tokoa ny manaiky izany raha mbola mahatsapa fitiavana na koa mbola mahatsiaro tena tsy vonono. Mila atao mafy tsara nefa ny saina dia mionono sy manaiky ny toe-java-misy. Mora kokoa ny mandroso amin’ny fiainana vaovao sy manadino rehefa mahatsapa hoe rava tanteraka ilay tokantrano ary tsy misy azo atao intsony.

Mizara ny fihetseham-po

Tsy tsara ny mitazona ny fihetseham-po aorian’ny fisaraham-panambadiana. Na faly, na malahelo na tezitra na manenina… mila zaraina amin’ny namana na ny olona akaikin’ny fo ny fihetseham-po ao anaty. Mahatsiaro tena maivana kokoa ny saina sy ny fo rehefa navoaka ireo zavatra nanavesatra azy ireo. Mety ho sarotra tokoa ny manao izany satria mety ho menatra na matahotra ny amboraka izany amin’ny hafa. Mila toherina nefa ireo sakana ireo mba hananana saina sy fo vaovao hanomanana sy hiatrehana fiainana aorian’ny « divorce ».

Mikarakara tena

Tandremana tsara ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina rehefa aorian’ny fisaraham-panambadiana. Maro tokoa ireo miraviravy tanana sy lasa mivarilavo noho ny tsy fahazakana izany « divorce » izany. Azo atao tsara ny malahelo, tezitra, rera-po sy rera-tsaina aorian’izany. Tsy mijanona ela amin’izany toe-po izany kosa nefa. Fafana ny ranomaso ary hatraka ny loha. Karakaraina tsara ny vatana sy ny saina mba hahazo hery vaovao. Mandeha miala voly, mitsangatsangana ary manao izay mahafinaritra ny tena mba hahatsapa fa tsy mijanona eo ny fiainana.

Manomana ny fiovana entina eo amin’ny fiainana aorian’ny « divorce »

Fotoana iray ahafahana mitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainana ny fisaraham-panambadiana. Mila mandinika tsara nefa rehefa ny fanatanterahana izany fiovana izany. Miomana tsara vao manapa-kevitra, indrindra raha mieritreritra hanova zavatra lehibe toy ny asa, hiverina hianatra, hifindra trano… Atao am-piheverana avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra. Raha azo atao dia tsy mifanerasera be amin’ny vady taloha intsony. Fadiana ihany koa ny mampitaha ny fiainana amin’ny an’ny hafa. Samy manana ny fomba hiainany ny « divorce » ny olona tsirairay.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo