• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Protecteur Du Citoyen
Image
Sexualité & Mariage

Firaisana ara-nofon’ny mpivady : rehefa tsy ifanarahana dia fanolanana

27/11/2023 08:47 © Moov.Mg

Toe-javatra tena misy ny fanolanana eo amin’ny mpivady na « viol conjugal ». Mbola vitsy nefa ireo mahafantatra sy miaiky ny fisian’izany ka tsy masahy mitoroka raha miaina izany. Andeha ary ho resahina ireo rehetra mila fantatra mikasika ny fanolanana amin’ny mpivady.

Ahoana ny fitrangan’ny fanolanana amin’ny mpivady ?

Sokajiana ho fanolanana eo amin’ny mpivady avokoa ny firaisana ara-nofon’ny mpivady tsy ifanarahana. Maro ny fomba mety hisehoan’izany, toy ny herisetra ara-nofo, ny fandrahonana, ny fanerena ara-tsaina na ihany koa ny fananaraotam-pahefana mba hanerena ny vady hiray ara-nofo.
Nohamaivanina hatrany izany fanolanana eo amin’ny mpivady satria heverina fa tokony hifanekena hatrany ny fanaovana firaisana ara-nofo amin’ny fotoana sy ny endriny rehetra eo amin’ny mpivady. Marihana nefa fa manana zo feno ny handà hiray ara-nofo na ny lahy na ny vavy. Azony atao ihany koa ny tsy manaiky anao fomba fanaovana firaisana ara-nofo tsy mety amin’ny sainy ka raha terena hanaiky izy dia fanolanana izany.

Ny fiantraikan’ny fanolanana amin’ny mpivady

Lalim-paka ny fiantraikan’ny fanolanana ho an’ilay niharan’izany. Mety manimba ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana tokoa ny herisetra ara-nofo. Araka ny efa voalaza teo aloha dia misy tokoa ny fanolanana amin’ny mpivady na dia mbola vitsy aza ny masahy mitoroka izany.
Ho an’ireo naholan’ny vadiny dia mety mitarika fikorontanana na aretin’ny saina izany, toy ny rarin-tsaina, ny tebiteby, fikorontanan’ny torimaso, tsy fahatokisan-tena… Mety hahatonga olana ara-pahasalamana ihany koa izany fanolanana nataon’ny vady izany, indrindra raha natao tao anaty herisetra ara-nofo sy narahina vono.
Ankoatra izay dia manimba ny fitiavana sy ny fifamatorana eo anivon’ny mpivady ny fanolanana amin’ny mpivady. Lasa tsy manana fahatokisina hoan’ny vadiny nanolana azy intsony ilay niharan’izany ka mety hiafara hatrany amin’ny fisarahana izany.
Satria moa mbola vitsy ireo mahafantatra fa helohin’ny lalàna ny fanolanana amin’ny mpivady dia mbola maro ireo miaina izany sy tsy masahy mitady vonjy. Matetika ireo naholan’ny vadiny dia mahatsiaro tena menatra, manamelo-tena na koa matahoatra ka tsy masahy mitaraina na mitoroka ny herisetra ara-nofo nataon’ny vadiny azy.

Ahoana no tokony atao hiadiana amin’ny fanolanana amin’ny mpivady ?

Ny fomba voalohany hiadiana amin’ny fanolanana amin’ny mpivady dia ny fampahafantrana sy ny fanentanana ny rehetra ny maha heloka izany fihetsika izany. Entanina noho izany ireo iharan’izany herisetra izany fa manana zo ny mitoroka izy ireny ary voaron’ny lalàna velona. Ampahafantarina ao anatin’ny fanentanana ihany koa ireo toerana sy ireo fikambanana azo antonina raha niharan’ny fanolanana amin’ny mpivady.
Tsy eo amin’ny tontolon’ny fanambadiana ihany no misy ny fanolanana amin’ny mpivady fa voakasik’izany ihany koa ireo mpifankatia efa nisoro tamin’ny firaisana ara-nofo. Manana zo mitoroka ihany koa noho izany ireo naholan’ny sakaizany. Na mbola mpifamofo na efa mpivady dia azo atao tsara ny miala amin’ny fiarahana misy herisetra fa tsy tokony miharitra izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo