• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Rachel Presser
Image
Sexualité & Mariage

Tokantrano milamina sy maharitra : ireo tsara tandreman’ny mpivady

07/11/2023 10:45 © Moov.Mg

Samy maniry ny hanana tokantrano milamina sy maharitra avokoa angamba ny mpivady miroso amin’ny fanambadiana. Maro nefa ireo mikorontana ary miafara amin’ny fisarahana. Misy ihany koa nefa ireo lamban’akoho ka fahafatesana no hisarahana. Mba atongavana amin’izany dia zaraina eto ireo zavatra tsara tandreman’ny mpivady mba hampilamina sy hampaharitra ny fanambadiana.

Ny tokantrano tsy ahahaka

Anisan’ny antony voalohany mitarika ny mpivady hisaraka ny fitantarana ny zava-misy ao an-tokantrano amin’ny olona akaiky, toy ny ray aman-dreny, iray tampo, namana… Tsy azo atao tokoa ny mampiditra olona hafa ao anatin’ny olana na disadisa misy eo amin’ny mpivady. Anjaran’ireto farany no mifampiresaka sy miara-mitady vahaolana raha misy olana ao amin’ny tokantrano. Raha zavatra tokony milamina dia mety lasa hihitatra raha toa ka hidiran’ny olona hafa, indrindra ny fianakaviana. Tsy milamina ary tsy maharitra ny tokantrano hijabahan’ny olona hafa.

Ny fanambadiana dia fifampiresahana sy fifandeferana

Tsy voatery mitovy hevitra hatrany ny mpivady ka tsy maintsy misy ny fifandirana kely vokatr’izany. Raha mahay mifampiresaka sy mifampihaino nefa izy ireo dia tsy hitoeran’ny adiady mandritra ny fotoana maharitra ao an-trano. Mifanazava am-pilaminana sy am-pitiavana mba ahafana mandamina ny disadisa. Etsy andaniny dia ilaina be ihany koa ny fifandeferana eo amin’ny mpivady mba hananana tokantrano milamina sy maharitra. Tsy tokony ny vehivavy na ny lehilahy foana kosa nefa no mandefitra fa mila ezaka avy amin’ny roa tonta izany. Feno fitiavana sy fifaliana ny fanambadiana raha mahay mifampiresaka sy mifandefitra ny mpivady.

Zava-dehibe ny fitiavana sy ny fifanajana

Mazava ho azy fa mila fitiavana ny tokantrano mba hilamina sy haharitra. Sarotra tokoa ho an’ny mpivady ny miara-miaina am-pilaminana sy mandritra ny fotoana maharitra raha tsy misy ny fitiavana. Avy amin’ny fitiavana tokoa ny ahafahana mifandefitra, mifamela sy mifanaja. Ilaina indrindra ihany koa ny fifanajana ao amin’ny tokantrano. Mampitombo ny firaisam-po sy ny firaisan-kina eo amin’ny mpivady izany. Rehefa mifanaja ihany koa ny mpivady dia manjaka ao amin’ny ankohonana izany fifanajana izany, indrindra eo amin’ny zanaka sy ray aman-dreny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo