• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Mademoiselle Aelle
Image
Sexualité & Mariage

Ho avy ny ririnina : inona avy ireo fiomanana hiatrehana ny andro mangatsiaka ?

08/05/2023 08:40 © Moov.Mg

Misy fiantraikany amin’ny lafin-javatra maro eo amin’ny fiainana andavanandro ny andro mangatsiaka. Anisan’izany ny fiparitahan’ny aretina maro samihafa vokatry ny hatsiaka. Mba hiatrehana am-pitoniana sy ho lavitry ny aretina dia ndeha ary ho resahana ireo fiomanana tsara atao alohan’ny idirana amin’ny ririnina.

Ampitomboina ny hery fiarovana hiatrehana ny andro mangatsiaka

Rehefa tonga ny andro mangatsiaka dia maro ireo viriosy mahazo aina ary miparitaka eny amin’ny rivotra eny. Mba hisorohana ireny aretina isan-karazany ireny dia mila hampitomboina ny hery fiarovana. Ny tsy fahampiana na ny fahalemen’ny hery fiarovana tokoa mantsy no mahatonga ny vatana ho mora andairan’ny aretina toy ny sery, gripa, aretin-tenda, areti-kibo, kohoka sy ny maro samihafa. Ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana, toy ny legioma, voankazo, trondro… no fomba voalohany ampitomboina ny hery fiarovana. Tsy adinoina ihany koa ny misotro dite sakamalaho afangaro tantely sy voasary makirana izay mitahiry vitamine C amin’ny tahany ambony tokoa. Tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny fisotroana rano betsaka sy ny fanaovana fanatanjahantena isan’andro.

Omanina ireo ankanjo mafana hiatrehana ny andro mangatsiaka

Mazava ho azy fa mila omanina dieny izao ny ankajo mafana mba hiatrehana ny andro mangatsiaka. Tsara raha maka fotoana mihintsy amoahana ireo ankajo mafana rehetra nampirimina nandritra ny fotoana fahavaratra. Ilaina izany mba ahitana ireo fitefy efa misy sy ireo izay mila ampiana. Dieny mbola mafanafana ihany koa ny andro dia alefa sasana ireo akanjo matevina toy ny blouson sy ny manteau tsy nampiasaina mandritra ny volana maro. Tsy adinoina ny mijery ireo karazana fitafy mampafana toy ny cache-nez, ny bà kiraro lava, ny collant sy juste-corps atao anaty pataloha rehefa tena mamirifiry ny hatsiaka. Afaka manao azy ireny avokoa na ny lahy na ny vavy. Efa mihamaro amin’izao fotoana ireo fitafy mafana hita eny amin’ny mpivarotra eny. Tsara foana raha vidiana dieny izao ireo ilaina satria hiakatra ny vidin’izy ireny rehefa tafiditra tanteraka ny ririnina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo