• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Buzzwebzine
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady misara-toerana : inona no atao hampateza ny tokantrano ?

02/05/2023 14:55 © Moov.Mg

Maro ireo antony mahatonga ny mpivady misara-toerana : ny asa fivelomana, fianarana na fiofanana na koa toe-javatra hafa tsy azo anoharana. Anisan’ny antony iray manimba ny fiarahana anefa ny elanelan-toerana. Inona ary ny tokony ataon’ireo mpivady misara-toerana mba hampateza ny tokantranony.

Mpivady misara-toerana : atao teny ierana vao manampa-kevitra

Fanapahan-kevitra iray manan-danja amin’ny fiainan-tokantrano ny fisarahan-toerana eo amin’ny mpivady. Misy fiantraikany amin’ny lafin-javatra maro tokoa ny elanelan-tany. Tsapa ho misy banga ny ao an-trano rehefa tsy eo ny iray, mihamangatsiaka ny fitiavana, mitombo ny fandaniana satria manjary lasa tokantrano roa… Raha efa misy zaza dia mananosarotra kokoa ny fitaizana. Mba hisorohana ny disadisa sy hampateza ny tokantrano dia mila atao teny hierana ny fisarahan-toerana eo amin’ny mpivady. Dinihina miaraka ny lafy tsara sy ny lafy ratsin’ilay safidy. Rehefa samy manaiky ny andaniny sy ny ankilany dia ho mora kokoa ho an’ny mpivady misara-toerana ny manamafy ny fiarahany.

Mila mifampatoky tsara ny mpivady misara-toerana

Anisan’ny singa iray mampaharitra ny tokantrano ny fifampitokisana eo amin’ny mpivady. Mbola mitombina kokoa izany ho an’ireo mpivady misara-toerana. Rehefa tsy miray toerana tokoa mantsy dia mety ho maro ireo karazana toe-javatra visavisaina sy mandalo ao an-doha. Tsy hamelona izany eritreritra izany kosa anefa ny saina rehefa mifampatoky tsara ny andaniny sy ny ankilany. Mety hisy ihany koa ireo olona mamorona zavatra tsy misy entina hampiady azy ireo. Ho zava-poana nefa izany ho an’ireo mpivady misara-toerana mahatoky ny fitiavan’ny olon-tiany.

Mifampiresaka mandrakariva na dia misara-toerana aza

Tsy mahasakana ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady ny fisarahan-toerana. Ilaina tokoa mantsy ny mifampiresaka isan’andro mba hampateza ny tokantrano. Manamafy ny fitiavana eo amin’ny mpivady misara-toerana ny fifanomezana teny mamy sy fitoriana fitiavana, eny na indray mandeha isan’andro azy. Ho maivana tokoa ny fisarahan-toerana rehefa mifampiresaka matetika. Miezaka hatrany ihany koa miteny ireo zavatra mampalahelo na tsy zaka ataon’ny iray. Izany dia mba hisorohana ny lonilony mety hamono ny fitiavana na mety hitarika amin’ny fakam-panahy.
Tsy mora tokoa ny miaina izany tokantrano sarahan’ny elanelantany izany. Nefa kosa rehefa ny fitiavana, fifanajana sy ny fifampiresahana no atao ambonin’ny zavatra rehetra dia mety hateza tsara ny tokantrano.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo