• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Today
Image
Sexualité & Mariage

Torohevitra hanamafisana ny fitiavana eo amin’ny mpivady

28/04/2023 15:13 © Moov.Mg

Antoka iray lehibe mampaharitra ny tokantrano sy mitondra fahasambarana ao amin’ny ankohonana ny fitiavana eo amin’ny mpivady. Tsy ho mora ravan’ireo sedram-piainana mandalo tokoa mantsy ny fanambadiana feno fitiavana. Ahoana ary ny fomba hanamafisana sy hampaharetana ny fitiavana eo amin’ny mpivady ?

Mifampiresaka : fomba iray mampaharitra ny fitiavana eo amin’ny mpivady

Anisan’ny antony voalohany miteraka disadisa eo amin’ny mpivady ny tsy fifahazoan-kevitra. Rehefa miverimberina sy maharitra ao an-tokantrano anefa ny disadisa dia mivadika ho lonilony ka mamono tsikelikely ny fitiavana. Mba hisorohana izany dia mila mifampiresaka mandrakariva ny mpivady. Ilaina foana ny mifampiresaka na momba ny zavatra mahafinaritra na mampalahelo ataon’ny anankiray. Raha misy zavatra tsy zaka na tsy tiana ataony dia lazaina azy mba ho fantany izany. Mila fahaizana kosa anefa ny firesahana. Fadiana ny mampiaka-peo sy ny manao teny marary. Mba tsy ahatongavana amin’izany dia miandry rehefa tony ny fahatezerana na ny alahelo vao miresaka. Mampilamina tokantrano ary mampaharitra ny fitiavana eo amin’ny mpivady ny fahaizana mifampiresaka sy mifampihaino.

Mampiaraka : manamafy ny fitiavana eo amin’ny mpivady

Tsy voatery ireo mpifankatia mbola tsy manambady ihany no afaka mampiaraka. Ilain’ny mpivady ihany koa ny maka fotoana kely iarahan’izy roa samirery, indrindra raha efa manan-janaka izy ireo. Mety foana izay atao na izay aleha fa ny zava-dehibe dia ilay miaraka irery sy miala kely rotoron’ny andavanandro. Afaka mandeha miara-misakafo, mitsangatsangana, manao fialamboly iraisana… Fotoana iray ahafahan’ny mpivady mifaneho fitiavana ihany koa izany : mifamihina, mifampitantana, mifanome teny mamy, misangisangy… Mety kokoa raha toerana tsy be olona no handehanana mba hampiakatra tsara ny afom-pitiavana. Tsy voatery zavatra mandany vola be ihany koa no atao satria mety hiteraka rarin-tsaina indray ny fandaniana vola ka hanimba ny fahafinaretana.

Mifanome fitiavana mba hikolokoloana izany

Mila atao fahazarana ny fifanomezana fitiavana mba hampaharitra sy hahamafy orina ny fitiavana eo amin’ny mpivady. Mirakotra zavatra maro izany fanomezana fitiavana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanajana, fifandeferana, fifanohanana ary ny fifanampiana amin’ny lafin-javatra rehetra eo amin’ny fiainana. Anisan’ny fanomezana fitiavana ihany koa ny fanekena ny fahasamihafana eo amin’ny toetran’ny mpivady. Tsy azo terena hiova ny vady, indrindra ny toetra azo leferina sy tsy manimba fiainana. Tsy adinoina ihany koa ny fikolokoloana ny filàna ara-nofo. Fadiana ny mandà foana ny vady raha mitady firaisana ara-nofo izy. Miezaka hatrany mitady izay fomba hifanomezana fahafinaretana mba hampitombo sy hahamamy ny fitiavana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo