• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Magicmaman.Com
Image
Sexualité & Mariage

Raim-pianakaviana mikarakara tokantrano, andao resahana !

13/04/2023 13:29 © Moov.Mg

Efa mihamaro ireo raim-pianakaviana mikarakara tokantrano eto Madagasikara. Mety ho safidy izany fa mety ihany koa nohon’ny antony maro samihafa. Inona tokoa moa ny atao hoe raim-pianakaviana mikarakara tokantrano ? Ahoana ny fandraisan’ny fiarahamonina malagasy azy ireny ?

Inona no atao hoe raim-pianakaviana mikarakara tokantrano ?

Toy ny renim-pianakaviana mikarakara tokantrano dia misy ihany koa ny raim-pianakaviana mikarakara tokantrano. Tsy azo afangaro amin’ireo lehilahy tsy an’asa mirenireny sy mitavandra ny vady amin’ny famelomana tokantrano izy ireny. Lehilahy mandray andraikitra ary vonona mifanampy amin’ny vadiny amin’ny fikarakarana ny ankohonany ny raim-pianakaviana mikarakara tokantrano. Afaka manatanteraka ny asa rehetra ao an-trano izy : mahandro sakafo, mampirin-trano, mikarakara ny ankizy… raha tsy misy mpanampy an-trano.

Ataony izany mba hanohanana ny vadiny izay vizaky ny fitadiavana ka tsy manana hery intsony hanaovana ireo raharaha ao an-trano. Maro ny antony mahatonga ny raim-pianakaviana amin’izany toerana izany. Mety izany safidy satria ampy hivelomana ny karaman’ny vadiny ary maniry ny hikarakara ny zanany izy. Mety ihany koa nohon’ny tsy fahitany asa, ny tsy fahafahana miasa nohon’ny antony ara-pahasalamana…

Raim-pianakaviana mikarakara tokantrano : ahoana ny fandraisan’ny fiarahamonina izany ?

Teo amin’ny Ntaolo dia ny lehilahy no natokana hitady vola sy hamelona ny vady aman-janany. Ny vehivahy kosa teo andaniny no misahana ny fikarakarana ny tokantrano sy ny fanabeazana ny ankizy. Najaina fatratra noho izany ireo raim-pianakaviana nisasatra sy nahavita namelona ny ankohonany. Nohon’ny fahasarotan’ny fiainana anefa dia voatery niasa ny vehivavy taty aoriana. Tsy vitsy ihany koa ireo nahavita fianarana ka misahana andraikitra ambony ao amin’ny toeram-piasany ary mikarama ambony.

Manoloana izany fivoaran'ny fiainana izany dia maro ankehitriny ireo raim-pianakaviana mikarakara tokantrano. Mbola raiki-tapisaka ao amin’ny toe-tsaina malagasy anefa ny hoe « ny lehilahy no natao hamelona ny vehivavy ». Sarotra amin’ny fiarahamonina malagasy ny manaiky izany. Mbola maro ireo olona mitsikera sy manondro molotra ireo raim-pianakaviana mikarara tokantrano. Misy kosa anefa ireo efa malala-tsaina ka manaja izany safidy izany.

Asa tsy mora fa atao am-pitiavana sy ampanetre-tena

Tsy mora tokoa ny andraikitra sahanin’ny renim-pianakaviana na raim-pianakaviana mikarakara tokantrano. Asa mafy, mandany fotoana ary tsy andraisan-karama tokoa mantsy ny fikarakarana ny ankohonana. Etsy andaniny maro ireo tondro-molotra sy fanenjehana ataon’ny fiarahamonina amin’ny hoe « lehilahy velomim-bady ».

Mba hampirindra sy hampilamina ny fiainan-tokantrano dia mila atao am-pitiavana sy ampanetre-tena ny asa fikarakarana tokantrano. Mila mifanaraka tsara ny mpivady alohan’ny hirosoana amin’izany mba tsy hisian’ny fifanenjehana sy ny fifandatsana rehefa any aoriana. Tsy adinoina ny manokana fotoana hakana aina sy hialana voly mba tsy hahatsiaro tena ho voageja. Asa manan-danja tokoa izany raim-pianakaviana mikarakara tokantrano izany ka mendri-piderana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo