Fambolena gazon : ireo torohevitra hampahomby izany
Ny gazon no anisan’ny singa iray manaingo ny zaridaina. Manaratsy endrika ity farany ny gazon ringitra, maina na mivaramavo. Maniry ny hanana tokontany maitso mavana ve ianao ? Ireto ary ireo torohevitra mikasika ny fambolena gazon sy ny fikarakarana izany.
Hatomboka amin’ny fanatsarana ny tany ny fambolena gazon
Hatomboka amin’ny fanatsarana ny tany ny fambolena gazon. Mora maniry ary vanona kokoa ny bozaka rehefa voakarakara araka ny tokony ho izy ny tany ambolena azy. Jerena tsara aloha izany ny karazan’ny tany eo amin’ny tokontaninao. Mila asaina sy asiana zezika raha hita fa maina loatra na ngazana be ity farany. Ny tany efa masaka sy malemy kosa dia hatsaraina hatrany amin’ny fanisiana zezika eo aminy. Mety kokoa raha zezika natoraly no ampiasaina noho izy mandaitra tsara nefa tsy misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
Fambolena gazon : atao mirafitra sy mifanesy tsara ny zana-boly
Zana-boly no matetika fambiasantsika eto Madagasikara amin’ny fambolena gazon. Mila atao mirafitra sy mifanesy tsara ny fanatsatohana azy ireny eo amin’ny tany. Mora maniry sy matevina kokoa mantsy ny bozaka rehefa arahina tsara izany. Faritana mihintsy ny toerana hambolena ny zana-boly mba hirafitra tsara ny fanirin’ny bozaka. Soritana torak’izany ihany koa ny lalana sy ny sisin’ny gazon mba ahitana hoe aiza ny faritra tsy hambolena. Tandremana tsara tsy ho voahitsaka ny zana-boly efa mitsatoka amin’ny tany.
Gazon vanona sy maitso mavana : mila tondrahina matetika
Tsy afa-misaraka amin’ny fambolena gazon ny zezika, fa indrindra ihany koa ny fanondrahana. Tsy mahazo kamokamo manondraka satria mila hamandoana ampy ny bozaka vao maniry sy mandrombona tsara. Mila tondrahina isan’andro ny gazon mandritra ny andro ririnina na main-tany. Mazava ho azy fa mihena izany fotoana fanondrahana izany rehefa fahavaratra. Tsy azo atao dibo-drano loatra koa ny bozaka indrindra rehefa izy ilay vao ambolena iny satria mety hamono azy izany. Tsara kokoa izany raha tsy amin’ny fahavaratra no tanterahina ny fambolena gazon. Tsy adinoina ny manapaka ny bozaka rehefa lava loatra ary esorina ihany koa ny ahi-dratsy manimba endrika ny gazon.