• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medisite
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fomba tsotra sy azo antoka hikolokoloana ny sofina

06/02/2024 13:17 © Moov.Mg

Faritra saropady amin’ny vatana ary mila fikolokoloana manokana ny sofina. Ny aretina na ny tsy fahatomombanan’ny sofina dia mety hamparenina mandrakizay. Inona avy ary ny fomba atao mba hikolokoloana sy hiarovana ny sofina amin’ny andavanandro ?

Diovina ara-dalàna ny sofina

Isan’ny fomba iray hikolokoloana sy hiarovana ny sofina ny fanadiovana azy amin’ny fomba ara-dalàna. Marihana ety am-piandohana fa taova iray mahavita manadio tena ny sofina. Ny tain-tsofina dia mandray andraikitra lehibe amin’ny fiarovana azy amin’ny vovoka sy ny loto samihafa tsy ho tafiditra anatin’ny « conduit auditif » na ny fantsona anaty sofina. Rehefa hita kosa mihabetsaka ny tain-tsofina dia mila esorina. Lamba nolemana kely no ampiasaina ary tsy sokirina be loatra ny any anatiny fa izay takatry ny rantsan-tanana sy faran’ny tazan’ny maso ihany.

Tsy sokirina amin’ny « coton-tige » any anaty sofina

Fitaovana iray fampiasantsika rehefa manadio sofina ny « coton-tige ». Mila fahaizana ny mampiasa azy ireny mba tsy handratra ny anaty sofina. Toy ny fanadiovana amin’ny lamba ihany dia ny faritra farany takatry ny rantsan-tanana sy tazan’ny maso ihany no fafana aminy. Tsy atsofoka lalina anaty sofina arak’izany ny « coton-tige ». Fadiana ihany koa ny manadio ny anaty sofina amin’ny zavatra maranitra na zavatra mety handrovitra ny ampongatsofina. Tandremana tsara mba tsy ho tavel a anaty sofina ny vovoa amin’ny « coton-tige ».

Arovana amin’ny tabataba ny sofina

Isan’ny fomba iray hikolokoloana ny sofina sy ny fahasalamany ny fiarovana azy amin’ny tabataba. Rehefa mandeha amin’ny toerana misy mozika mandeha mafy loatra, toy ny toeram-pandihizana na ireny fampisehoana lehibe ireny, dia tsara raha manalavitra ny zava-maneno. Toy izany ihany koa ireo tabataba mafy mety manimba ny sofina toy ny feona masinin-kazo, « perceuse » … Tandremana ihany koa ny fampiasana « écouteurs ». Mila hajaina ny fetran’ny feo tsy atahorana hanimba ny sofina. Raha azo atao dia ireny « casques audio » ireny no ampiasaina noho ny « écouteurs ».

Tsy atao tsirambina ny fambara mampiahiahy mahazo ny sofina

Araka ny voalaza teo ambony dia saropady tokoa ny sofina ka mila kolokoloina sy karakaraina tsara satria mety hamparenina ny fahavoazana na ny aretina mahazo azy. Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha toa ka mahatsikaritra fambara mampiahiahy toy ny hoe :
-Manaintaina tampoka ny sofina ;
-Mihena ny fahenoana ;
-Maheno misioka ao anatin’ny sofina ;
-Misy nana na tsiranoka tsy mahazatra mivoaka amin’ny sofina.

Lire la suite

Articles Similaires