• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « gâteau au chocolat »

06/02/2024 08:36 © Moov.Mg

Anisan’ny mofomamy maro mpankafy ny « gâteau au chocolat ». Lafo vidy tokoa izy ireny raha oharina amin’ny mofomamy hafa rehefa vidiana eny amin’ny « pâtisserie » eny. Atoro eto ary ny fomba fanamboarana « gâteau au chocolat » ho an’ireo izay liana amin’izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « gâteau au chocolat »
-Atody 5 ;
-Lafarina 130 g ;
-« Cacao extra noir » 20 g ;
-Siramamy 200 g ;
-« Chocolat » hamonosana azy 500 g ;
-« Crème liquide » 500 g ;
-« Sirop » à 30.

Fomba fanaovana azy

Atomboka amin'ny fikarakarana ny « genoise au choco ». Hafanaina amin’ny hafanana 200°C ny lafaoro. Sarahana ny tamenak’atody sy ny tapotsiny. Kapohana miaraka amin’ny atsasaky ny siramamy ny tamenak’atody. Rehefa miha fotsy sy mitombo avo roa heny dia ajanona. Kapohana hiakatra tsara hibontsina ny tapotsiny ary araraka ao ilay siramamy ambiny avy eo tohizana kapohina. Afangaro tsikelikely ny tapotsiny sy ilay tamenak’atody ary tohizana kapohana mba hitambatra tsara.
Araraka anatin’ny fangaro ny lafarina sy ny « cacao » dia aroharoana moramora amin’ny « fouet » na « Maryse ». Tsy azo aroharoana mafy fa manjary misaraka ireo fangaro. Atao anaty lasitra (moule) 20 sm roa samihafa ny fangaro. Tsara raha osorana menaka sy lafarina kely mialoha ilay lasitra mba tsy hiraikitra ny mofomamy rehefa masaka. Alefa anaty lafaoro mandritra ny 20 mn.
Miroso amin’ny fanamboarana ny « sirop ». Afangaro ny rano 1l sy ny siramamy 1,250 kg. Aroharoana tsara avy eo hataingina ambony afo. Tsy avela hangotraka fa avela mitsonika fotsiny ny siramamy.
Miditra amin’ny fanamboarana ny « crème » indray ka « ganache montée au chocolat noir » no ho karakaraina. Ampangotrahana ny « crème liquide ». Rehefa mangotraka dia araraka ao ilay « chocolat » izay efa natao tanaty « bol ». Avela hipetraka kely eo. Avy eo potserina amin’ny « mixeur plongeur » avy eo fonosina « papier film ». Alefa anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 3 farafahakeliny. Rehefa avy nilona kely dia kapohana amin’ny « batteuse » hiakatra tsara.
Faranana amin’ny « montage ». Avoaka ny lasitra ireo mofomamy. Avy eo zaraina roa manaraka ny marindrano (horizontale). Vontosana kely amin’ilay « sirop » mba ho mandina avy eo osorana « crème ». Afaka haingoana arak’izay hitiavana azy amin’ny farany.

Lire la suite

Articles Similaires