Torohevitra hanatsarana ny fifantohana amin’ny asa
Misy fotoana sarotra tokoa ny mifantoka amin’ny asa, indrindra rehefa misy zavatra maro manelingelina na mahavariana. Ireto ary misy torohevitra tsotra manampy mba hanatsarana ny fifantohana sy mba hahavitana tsara ny asa.
Hanatsarana ny fifantohana amin’ny asa : alamina tsara ny toerana hiasana
Anisan’ny manampy betsaka hanatsarana ny fifantohana amin’ny asa ny fandaminana ny toerana hiasana. Ny birao na ny toerana fiasana mikorontana dia mety manelingelina sy tsy mampifantoka. Ampirimina ary ireo taratasy, fitaovana tsy ilaina sy ireo zavatra tsy misy idirany amin’ny asa. Raha azo atao dia toerana mangingina sy mitokana no hiasana. Afaka mampiasa « écouteurs » hanampenana sofina raha ilaina.
Alamina tsara ny fotoana
Ny tsy fahaizana mandamina fotoana dia isan’ireo antony mampikorontana ny saina sy tsy mampifantoka tsara amin’ny asa. Mila alamina tsara ary ny fotoana. Fantarina ireo zavatra maika ka ireo no atao voalohany. Manamboatra lisitry ny asa tokony atao mandritra ny tontolo andro ary asiana fe-potoana mazava hanatanterahana azy. Manampy betsaka ihany koa ny fanaovana ny « technique Pomodoro ». Izany hoe miasa 25 minitra avy eo maka aina 5 minitra dia izay hatrany no atao.
Ferana ny fanenlingelenana nomerika
Ny finday sy ireo fitaovana nomerika dia isan’ireo manelingelina sy tsy mampifantoka amin’ny asa. Rehefa miasa ary dia esorina ireo « notifications » amin’ny finday, solosaina sy ny tambazotra sosialy. Hidiana ireo « onglets » tsy ilaina amin’ny asa atao raha miasa amin’ny solosaina. Manokana fotoana voafaritra hijerena ny « mails ».
Mikarakara tena
Mba hanatsarana ny fifantohana amin’ny asa dia mila mikarakara tena tsara. Atao ampy tsara ny torimaso isan-kalina mba tsy ho vizaka sy te hatory mandritra ny tontolo andro. Mihinana sakafo ara-pahasalamana mba hikolokoloana ny vatana sy ny saina. Manao fanatanjahantena isan’andro mba hanatsarana ny fifantohana sy ny fitadidiana.