• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Univers Pharmacie
Image
Asa & Fianarana

Mangataka andro lava : ireo fiantraikany amin’ny lafim-piainana samihafa

25/03/2025 10:28 © Moov.Mg

Marihana anio 25 martsa 2025 ny andro iraisam-pirenena mikasika ny fangatahana andro na ny « procrastination ». Maro amintsika no manana ity fahazaran-dratsy ity nefa tsy mahafantatra ireo mety ho vokadratsin’izany. Resahana eto ary ireo mety ho fiantraikan’ny fangatahana andro lava eo amin’ny lafim-piainana samihafa.

Ireo fiantraikan’ny fangatahana andro lava eo amin’ny fahasalaman’ny saina

Ny fangatahana andro lava na ny « procrastination » dia ny fanemorana ny fotoana hanaovana ny zavatra iray mila atao eo no eo. Mety hisy fiantraikany maro eo amin’ny fahasalaman’ny saina izany, toy ny :
-Tebiteby sy ny rarintsaina. Rehefa mangataka andro lava dia lasa miangona be ny asa na ny zavatra tokony atao. Rehefa ela ny ela dia mahatsiaro tena tototra ka tsy mahavita miatrika azy ireo. Izany dia mety mitarika fikorontanan-tsaina lalina.
-Fanamelohan-tena sy tsy fahatikisan-tena. Lasa mahatsapa hoe tsy azo itokisana, tsy mahavita zavatra, menatra… ;
-Fahaketrehana. Rehefa tsy voafehy intsony ny tebiteby sy ny rarintsaina ateraky ny fangatahana andro lava dia lasa miteraka fahaketrehana.

Ireo fiantraikany eo amin’ny asa sy ny fianarana

Eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fianarana no isan’ny tena betsaka mangataka andro. Mazava ho azy fa maro ny vokadratsy mety aterak’izany :
-Mihena ny « productivité ». Lasa midina ny « efficacité » sy ny kalitaon’ny asa atao. Matetika dia dila ny fe-potoana hamitana ny asa, simba ny tetikasa… Izany dia mety hanimba ny « réputation » ao am-piasana na any am-pianarana.
-« Opportunités manquées ». Rehefa mangataka andro lava dia mety ho votsitra ireo « opportunités » mandalo ahafahana mivoatra, mandroso… amin’ny asa na ny fianarana ;
-Manimba ny fifandraisana. Ny fahatarana sy ny tsy fahavitana ireo asa na zavatra iandreketana dia mety hiteraka disadisa eo amin’ny mpiara-miasa, mpampiasa, mpampianatra…

Ireo mety ho fiantraikan’ny « procrastination » eo amin’ny fiainana manokana

Fahazaran-dratsy mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainanana manokana ny fangatahana andro lava, ka anisan’izany ny :
-Fifandonana sy ny disadisa eo amin’ny olona manodidina, na havana, namana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra… ;
-Fahaverezam-potoana. Lasa lany andro mitebiteby sy miferotr’aina amin’ireo asa na zavatra nangatahana andro ka lasa tsy vita. Mety tsy hanana fotoana hialana voly sy hakana aina satria manenjika ireo asa ireo ;
-Fahatsapana hoe tsy mety mandroso ny fiainana. Rehefa zavatra mangataka andro dia lasa mahatsiaro tena hoe tsy misy fivoarana mihintsy ny fiainana, tsy misy tanjona tratra… hany ka lasa kivy sy rera-tsaina.

Ahoana ny fomba atao hialana amin’ny fangatahana andro lava ?

Azo atao tsara ny miala amin’ny fahazarana mangataka andro lava. Anisan’ny manampy hanatanterahana izany ny :
-Fanaovana lisitra kely be dia be ny asa na ny zavatra mila atao. Atao amin’ny antsipiriany mazava tsara izy ireo mba hanamorana ny fanatanterahana azy ;
-Fametrahana tanjona mazava sy fe-potoana « réalistes » ;
-Halavirina ireo zavatra mety mahavariana na manelingelina.

Lire la suite

Articles Similaires