• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Friday
Image
Asa & Fianarana

Fianarana: Ahoana ny atao hanampiana ny zanaka hiova sekoly ?

24/03/2025 16:16 © Moov.Mg

Dingana iray mety mitondra tebiteby sy manakorontana ny sain’ny ankizy ny fiovana sekoly. Efa nanana ireo zavatra sy namana nahazatra azy tokoa mantsy izy tao amin’ny fianarany taloha ka mety ho sarotra aminy ny hanavao azy ireny indray. Ahoana ary ny fomba atao hanampiana ny zanaka hiova sekoly ?

Miomana sy mifampiresaka hanampiana ny zanaka hiova sekoly

Mba tsy hahatsiaro tampohina loatra ny zanaka hiova sekoly dia mila hampiomanina tsara izy alohan’ny fidirany mianatra. Anisan’ireo tsara atao miaraka aminy ny :
-Mitsidika ny fianarana vaovao. Ampahafantarina ilay ankizy ny sekoly vaovao hianarany, miaraka jerena ny tokontanim-pianarana, ny toerana fisakafoanana atoandro… Mampihena ny fanahiana ao aminy ny fanaovana izany.
-Mifampiresaka mikasika ireo zavatra mety mampiasa saina na mampitaintaina azy. Anjaran’ny raiamandreny kosa ny manome toky azy hoe ara-dalàna ny mety hoe matahotra na verivery kely amin’ny voalohany fa avy eo misinda daholo ihany izany.
-Mitantara toe-javatra « positives », toy ny hoe ny fahatsiarovana nahafinaritra tamin’ny niova fianarana taloha na hoe tantaran’ankizy hafa izay efa nahavita ny « intégration » an’izy ireo.

Hamoraina ny fifandraisany amin’ny ankizy hafa

Manampy betsaka ny zanaka miova sekoly ny fanamorana ny fifandraisany amin’ny ankizy hafa amin’io fianarany vaovao io. Mba hanatanterahana izany dia azo atao ohatra ny :
-Mandrisika azy hanao « activités extrascolaires ». Ampidirina amin’ireo « activités » tiany sy mahaliana azy izy, toy ny fanatanjahantena, mozika… Ao anatin’ireo vondrona ireny izy afaka mifanerasera amin’ny ankizy mitovy « passions » aminy.
-Mandray anjara sy manohana ireo hetsika ataon’ny sekoly, toy ny fety, kermesy… mba ahafahan’ny ray amandrenin’ny mpianatra mifankahita sy manampy ny ankizy hifandray.

Manara-maso sy manohana ny zanaka niova sekoly

Mba hanohanana sy hanampiana ny zanaka niova sekoly dia mila araha-maso tsara ny mikasika ny zavatra hiainany ao amin’ny fianarany vaovao :
-Maka fotoana hifampiresahana aminy rehefa izy tonga avy nianatra na rehefa hariva eo am-pisakafoanana. Fantarina ny fihetseham-pony sy ireo mety ho olana nisy nandritra ny tontolo andro.
-Mifampiresaka amin’ny mpampianatra. Azo atao ny manantona ny mpampianatra mba ahafantarana hoe manao ahoana ny zanaka ao an-dakilasy ? Milamina tsara daholo ve ?
-Ankasitrahana ny ezaka ataony. Rehefa misy fivoarana sy fihezahana ataony dia ankasitrahana hatrany izy. Mila faharetana ny « intégration » amin’ny sekoly vaovao ka hampaherezina hatrany ny zanaka mandalo izany.

Lire la suite

Articles Similaires