• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Esi Business School
Image
Asa & Fianarana

Mpandraharaha mahomby : fahadisoana telo mila tandremana

18/03/2025 16:33 © Moov.Mg

Maro amintsika ny maniry hisehatra sy hivoatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Maro ireo lafin-javatra mila fehezina sy sahanina raha te ahomby amin’izany sehatra izany. Misy ihany koa ireo fahadisoana tsy eritreretina nefa tena misy fiantraikany ratsy amin’ny fahombiazan’ny tetikasa atao. Anisan’ireo fahadisoana tsara tandremana raha te ho mpandraharaha mahomby ary ireto zaraina manaraka ireto.

Mpandraharaha mahomby : fahadisoana ny mampiasa olona noho ny henamaso

Isan’ny toetra iray raiki-tampisaka amintsika Malagasy ny fananana henamaso. Tsy tsara atao mahazo vahana nefa izany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana satria mety miteraka vokadratsy maro sy lasa sakana ho amin’ny fahombiazana. Anisan’ireo mila fadiana arak’izany ny mampiasa olona noho ny henamaso. Tsy hoe mampalahelo na havan-dranona ny olona iray dia raisina ho mpiasa. Ireo azo antoka fa mahay sy mahavoafehy ny asa ihany no tokony alaina mba hahafahana miara mahomby.

Fitokisana amin’ny olona tokana

Tsy voatery hanana vola be hanaramana mpiasa maro ny olona manomboka misehatra amin’ny fandraharahana. Na dia voafetra aza nefa ny tetibola ampiodinana ny orinasa dia fadiana ny mitoky sy miantehatra amin’olona tokana eo amin’ny andraikitra maro ao amin’izany. Raha sanatria tokoa mantsy ka misy olana na tsy fifanarahana eo amin’ny roa tonta dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny orinasa izany. Tsara arak’izany ny mampiofana olona maromaro amin’ny andraikitra samihafa mba hananana fahaleovantena amin’ny fitantanana.

Fiarahana amin’ny mpiasa

Fahadisoana iray lehibe ny mampifangaro ny fiainana manokana sy ny asa. Raha misehatra amin’ny fandraharahana dia isan’ireo zavatra mila fadiana ny miaraka amin’ny mpiasa. Maro tokoa ny vokadratsy mety aterak’izany eo amin’ny lafiny fitantanana sy ny fifandraisana. Mila mijanona ho matihanina hatrany ao amin’ny orinasa ary apetraka mazava ny rafitra misy eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Izay no isan’ny fomba mahomby indrindra hisorohana amin’ny disadisa sy olana ara-pifandraisana mety handrendrika ny orinasa.

Lire la suite

Articles Similaires