Mpianatra « dispensé d’EPS » : ireo tsara fantatra
Ny « dispense d’EPS » na « dispense de sport » dia fahazoan-dalana omena ny mpianatra mba tsy handraisana anjara amin’ny taranja fanatanjahantena. Asolo taranja ara-panatanjahantena teorika izy io mandritra ny taom-pianarana, ka io no hanadinana ny mpianatra rehefa fanadinana. Oviana no afaka mangataka atao « dispensé d’EPS » ny mpianatra ? ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika izany.
Ireo antony ahazoana ny mpianatra manao « dispensé d’EPS »
Anisan’ireo antony matetika ahafahan’ny mpianatra mangataka ho atao « dispensé d’EPS » ny :
-Olana ara-pahasalamana. Izany hoe raha misy areti-mitaiza, maratra, nodidiana, … izay tsy ahafahana mampiasa vatana mafy na manao fanatanjahantena ;
-« Contre-indications médicales ». Misy karazana « pathologies » na koa fahasembanana ara-tsaina na ara-batana izay tsy mifanaraka amin’ny fanaovana fanatanjahantena ;
-Fitondrana vohoka. Ny mpianatra bevohoka dia afaka tsy mandray anjara amin’ny fanatanjahantena any am-pianarana, miankina amin’ny toe-pahasalamany moa izany.
Ireo dingana atao hahazoana fahazoan-dalana manao « dispensé d’EPS »
Miankina amin’ny sekoly tsirairay ny dingana atao hahazoana ny fahazoan-dalana hanao « dispensé d’EPS ». Amin’ny ankapobeny dia ireto manaraka ireto no takiana amin’ny mpianatra mangataka izany :
-Fizahana ara-pahasalamana. Mila manantona mpitsabo manao fizahana ara-pahasalamana ny mpianatra mangataka hanao « dispensé de gym ». Ny mpitsabo no manome « certificat médical » mamaritra ny antony tsy hahafahany manao fanatanjahantena sy ny faharetan’izany.
-Fangatahana an-tsoratra. Rehefa azo ilay « certificat médical » dia ampiarahana fangatahana an-tsoratra hoan’ny talen-tsekoly na ny tompon’andraikitry ny taranja fanatanjahantena.
-Fanapahan-kevitry ny sekoly. Ny sekoly ny mandinika ilay fangatahana sy manapa-kevitra raha atao « totale » na « partielle » ilay fahazoan-dalana tsy hanao fanatanjahantena.