Nahazo naoty ratsy ny zanaka: ireo fehezanteny tsy tokony holazaina azy
Rehefa mitondra naoty ratsy avy any am-pianarana ny zanantsika dia mety ho tezitra na diso fanantenana isika ray aman-dreny. Matetika dia ny mibedy no fihetsika voalohany ataontsika manoloana izany. Misy kosa nefa ireo fehezanteny mila fadiana rehefa mibedy na mananatra ny zanaka nahazo naoty ratsy mba tsy handratrana azy ireny sy hahatonga azy ho tsy tia fianarana. Araho eto ary ny santionany amin’ireo fehezanteny ireo.
« Tsy mahay n’inon’inona » na manadondrona
Isan’ireo fehezanteny tsy azo tenenina ny zanaka nahazo naoty ratsy avy any am-pianarana ny hoe tsy « mahay n’inon’inona » na hoe « dondrona ». Ho kivy tanteraka izy raha mahazo io teny io, indrindra raha avy amin’i Dada na i Neny izay nantenainy hamporisika sy hanohana azy. Mety kokoa arak’izany ny miteny hoe « ho tsara noho io naotinao amin’ny manaraka » ary ampiana izy mianatra ireo zavatra tsy hainy tao anatin’ilay fanazarana na fanadinana.
« Izany rehefa tsy mianatra lesona » na mandatsa
Tsy misy ilaina azy mihintsy ity fehezanteny ity. Tsy azon’ilay ankizy ny lesony na koa ny zavatra sasany tena manan-danja amin’ilay taranja no antony nahazoany naoty ratsy. Tsy tokony latsaina izy noho izany fa ampiana izy hianatra ary aseho azy hoe mandray anjara amin’ny fahombiazany ny ray aman-dreniny. Tenenina izy hoe « efa niezaka inao. Ahoana no ataoko hanampiana anao amin’ny manaraka » ?
« Maninona ianao no tsy mahay toy ny zoky na ny zandrinao » ? na mampitaha
Anisan’ireo fehezanteny mety hisy fiantraikany ratsy ao amin’ny sain’ny zanaka ny hoe « Maninona ianao no tsy mahay toy ny zoky na ny zandrinao » ? Mety mitarika fialonana, fahatsapan-tena ho ambany, « frustration »… eo amin’ny ankizy ny fampitahana azy amin’ny hafa. Ankoatra izay dia mety hanimba ny fahatokisan-tena eo aminy izany ka lasa miraviravy tanana tsy hazoto hiezaka intsony izy any aoriana.