Torohevitra mba hisongadinana amin’ny « entretien d’embauche »
Zava-dehibe ny fisongadinana amin’ny « entretien d’embauche » raha te hanintona ny mpampiasa sy hampitombo ny « chances » hahazoana asa. Mba ahatongavana amin’izany ary dia zaraina eto ny santionany amin’ireo torohevitra manampy amin’izany.
Miomana tsara alohan’ny hanaovana « entretien d’embauche »
Maro tokoa ny mpitady asa mety mahafehy ny asa omen’ny orinasa. Vitsy kokoa nefa ireo sady mahafehy ny asa no mahafantatra mikasika ilay orinasa mitady mpiasa. Mba hisongadinana mandritra ny « entretien » ary dia mila miomana tsara amin’ireo karazana fanontaniana mety ho hapetraky ny mpampiasa. Anisan’ireo mila anaovana fikarohana mialoha ny mikasika ilay orinasa sy ny famakafakana tsara ilay tolotr’asa mba ahafahana manome valim-panontiana mahafa-po.
Mahafehy ny serasera
Miavaka sy manintona ny mpampiasa ny olona mahafehy ny serasera sy ny fifandraisana mandritra ny « entretien ». Maro ireo lafin-javatra mila avoitra amin’izany, toy ny fanajana ny fotoana, ny fientanentanana mikasika ilay asa sy ilay orinasa, ny fanehoana hevitra mazava sy milamina tsara… Tsy adinoina ny mitandrina tsara ny fomba fipetrahana, ny fihetsika rehefa miresaka… mba hitaratra ny maha matihanina.
Mahay mampivoitra ny fahaiza-manao
Ny « entretien d’embauche » no fotoana ahafahana mampahafantatra mazava ny mpampiasa ny fahaiza-manao sy ny traikefa entina manatanteraka ilay asa. Raha te hisongadina mihoatra ireo mpitady asa hafa dia mila hay ny maneho sy mampivoitra ireo fahaiza-manao ireo. Ny tena tsara dia maka toe-javatra mivaingana tamin’ny asa natao teo aloha hanehoana ny fahaiza-manao takian’ilay asa tadiavina.