Te hahazo fisondrotana ara-kasa : ilaina ny mianatra sy mivoatra
Zavatra roa tena ilaina eo amin’ny sehatry ny asa ny fianarana hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny faniriana ny hivoatra hatrany amin’ny fifehezana ny asa. Antoka lehibe ahafahana mahazo fisondrotana ara-kasa ny fanaovana izany. Ahoana ary ny fomba atao raha te hianatra sady miasa ?
Ireo antony lehibe ilàna ny fianarana sy ny fivoarana ara-kasa ?
Tsy mitsahatra ny mivoatra ny sehatry ny asa noho ny fivoaran’ny teknolojia, fipoitran’ny fahaiza-manao vaovao ary ireo filàna vaovao mivoaka matetika. Ny fianarana sy ny fivoarana ara-kasa dia manampy amin’ny :
-Fahafahana mifaninana ara-kasa. Ny fampitomboana ny fahaizana sy ny fahaiza-manao noho ahafahana mijanona sy mahazo toerana eo amin’ny sehatry ny asa satria mitombo hatrany ireo zavatra takian’ny mpampiasa eo amin’ny lafiny fahaiza-manao ;
-Fahazoana fisondrotana ara-kasa. Manampy amin’ny fanokafana mankany amin’ny fahazoana fisondrotana ara-kasa, fisondrotana karama na koa fahazoana andraikitra ambony eo amin’ny tontolon’ny asa ny finiavana mianatra sy mivoatra ara-kasa ;
-Mampitombo ny « opportunités ». Rehefa mianatra sy mampitombo fahaiza-manao isan-karazany dia mitombo ihany koa ny « opportunités » ara-kasa azo hidirana. Ny fahafehezana fahaiza-manao maro samihafa dia mampitombo ny lanja ara-kasa ka manintona kokoa ireo mpampiasa ;
-Mahatsapa fahatanterahana ara-kasa. Mahatsiaro tena manan-danja eo amin’ny sehatry ny asa ny olona mazoto mianatra sy mampivelatra ny fahaiza-manaony. Raha izany no mitranga dia mitombo ny fahatokisan-tena ary mahatsapa afa-po amin’ny asa atao ary finaritra amin’izany.
Ahoana ny fomba atao raha te hianatra sady miasa ?
Maro ireo fomba ahafahana mianatra sy mivoatra ara-kasa na dia efa miasa àry. Anisan’ireo azo atao ny :
-Fandratoana fianarana any amin’ireo toeram-pianarana manana fandaharam-potoana manokana hoan’ny mpiasa. Efa maro izy ireny eto amintsika ka anjaran’ny tsirairay no mikaroka ny fianarana na ny fiofanana tiany harahana ;
-Fanarahana ireny « formation en ligne » ireny. Izany hoe tsy mandeha any amin’ny toeram-pianarana fa ao an-trano no manaraka ireo « cours » mifanaraka amin’ny fiofanana tiana atao ;
-Famakiana boky, lahatsoratra, « blogs »… mikasika ny sehatra tiana hivoarana mba hahafantarana ireo fiovana sy zava-baovao tsara fantatra sy fehezina ;
-Fifanakalozan-kevitra sy fifaneraserana amin’ireo matianina amin’ny sehatr’asa atao na tiana hampitomboana fahaiza-manao. Azo atao ohatra ny mamonjy ireny famelabelaran-kevitra sy hetsika ara-kasa hiaonan’ireo matihanina sy orinasa samihafa.
Ireo fanontaniana tsara apetraka rehefa hisafidy ny fianarana sy fivoarana ho atao
Mila safidiana araky ny tanjona ara-kasa, ireo zavatra mahaliana sy ireo filàn’ny tena ny fisafidianana ny fianarana sy ny fivoarana ho tanterahana. Jerana tsara ihany koa ny mikasiky ny fivoaran’ny tsenan’ny asa sy ireo fahaiza-manao tena be mpitady. Ireto manaraka ireto ary ny fanontaniana tsara apetraka amin’ny tena alohan’ny hirosoana amin’ity tetikasa ity :
-Inona avy ireo fahaiza-manao hananako ary inona ireo fahalemeko ?
-Inona avy ireo tanjona ara-kasako amin’ny fotoana fohy sy maharitra ?
-Inona avy ireo fahaiza-manao tena manintona sy tadiavin’ireo mpampiasa ankehitriny ?
-Inona avy ireo karazana fiofanana mety amiko ?
-Ahoana ny enti-manana sy fandaharam-potoana hananako hanatanterahana izany ?