• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ideal Investisseur
Image
Asa & Fianarana

Asa : tandremo tsy ho voasarik’ireo tolotr’asa fitaka

13/12/2024 16:07 © Moov.Mg

Mila fahamailoana tokoa ankehitriny ny fitadiavana asa. Efa mora tokoa mantsy ireo tolotr’asa fitaka avoakan’ireo mpisoloky, indrindra eny amin’ny tambazotra sosialy eny. Mba tsy hidirana anatin’ny haraton’ireo olon-dratsy ary dia atoro eto ny santionany amin’ireo famantarana ny tolotr’asa fitaka tokony hahamailo.

Nahoana no mety mampidi-doza ireo tolotr’asa fitaka ?

Ny tolotr’asa fitaka dia karazana famitahana an-tserasera na « en ligne » ataon’ireo olon-dratsy amin’ny alalan’ny fandefasana tolotr’asa tsy tena misy mba hamitahana ireo olona mitady asa. Matetika dia ao amin’ireo « sites » sy tambazotran-tserasera betsaka mpizaha no handefasan’izy ireo izany tolotr’asa izany. Rehefa mamaly ity farany ny olona mpitady asa iray dia afaka hangalarin’ireo olon-dratsy ireo mombamomba azy (informations personnelles) hanaovany asa ratsy samihafa toy ny halatra, fisolokiana… Misy ihany koa ireo olon-dratsy mampandoa vola ireo mpitady asa ho takalon’ny fahazoana asa ka rehefa azo ny vola dia tsy hita intsony izy ireo.

Ireo famantarana ny tolotr’asa fitaka

Amin’ny ankapobeny dia mitovitovy ireo fomba ataon’ireo olon-dratsy misoloky amin’ny alalan’ny tolotr’asa fitaka. Anisan’ireo famantarana mety ahafantarana ireo tolotr’asa fisolokiana ireo ny hoe :

Mangataka « informations personnelles » ilay milaza ho mpampiasa

Rehefa avy nanao « entretien » sy voaray soamantsara amin’ny asa ny mpitady asa dia angatahan’ny orinasa aminy ireo « informations personnelles » toy ny nimerao ny « compte bancaire »... Raha toa kosa vao manomboka mifandray voalohany amin’ilay mpampiasa dia efa angatahy ireo zavatra ireo dia mila mailo satria isan’ireo famantarana ny fisolokiana izany.

Manintona be loatra ilay tolotr’asa

Mandany fotoana ary mety tena mamizaka tokoa ny fitadiavana asa hany ka mora roboka ireo mpitady asa rehefa mahita tolotr’asa manintona. Fantatr’ireo olon-dratsy izany ka dia araraotin’izy ireo. Mila mitandrina noho izany rehefa mahita tolotr’asa diso manintona loatra toy ny hoe asa andraisana karama be nefa tsy mitaky mari-pahaizana, voantso hoe tafiditra miasa nefa tsy nandefa fangatahan’asa tamin’ilay orinasa, asa tsy mila miasa ora maro nefa be karama… Matetika dia ireo olona mitady asa azo atao ao an-trano (travail à domicile) no tena tratr’ireto karazana tolotr’asa fitaka ireto.

Mampandoa vola ilay orinasa na mpampiasa

Mila mailo hatrany raha misy orinasa nandefa tolotr’asa izay mampandoa vola mba hahazoana asa ao aminy. Maro ireo tetika ataon’ireo olon-dratsy hahazoana vola amin’ireo mpitady asa. Isan’ireo antony matetika hangalan’izy ireo vola ny hoe « frais de candidature », vidin’ireo fitaovana… Marihana nefa fa tsy misy mihintsy orinasa azo antoka mampandoa vola olona hiasa ao aminy. Efa manana ny fitaovana sy ny tetibola ilainy avokoa izy ireny rehefa mampiditra mpiasa vaovao.

Tsy mahazava na be diso ilay tolotr’asa

Isan’ireo famantarana tolotr’asa fitaka ny tsy fahitana fa tsy mahatihanina tsara ny voalaza ao anatin’izany. Anisan’izany ny hoe tsy mahazava tsara ny zavatra takiana amin’ilay asa na hoe feno diso tsipelina ao anatin’ilay tolotr’asa. Ankoatra izay dia tsy mety miresaka amin’ny mailaky ny orinasa ilay milaza ho mpampiasa fa amin’ny hafatra miafina hatrany. Mila mitandrina raha tsy mety milaza ny « coordonnées professionnelles » na ny an’ny orinasa izy mandritra ny fifampiresahana.

Lire la suite

Articles Similaires