• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Echos Entrepreneurs
Image
Asa & Fianarana

« Dropshipping » : fitadiavam-bola azo atao asa na vadin’asa

31/05/2024 13:59 © Moov.Mg

Efa mihamaro ankehitriny ireo olona manao « dropshipping » eto amintsika. Fomba tsotra ahafahana mitady vola amin’ny alalan’ireny « vente en ligne » ireny moa izy ity. Ny mampiavaka azy ? Tsy mila manana tahirin’entana (stock) nefa afaka mivarotra sy mahazo tombony. Araho eto ary ny mikasika ny « dropshipping ».

Inona no atao hoe « dropshipping » ?

Fomba fanatanterahana « vente en ligne » ahafahana mahazo tombom-barotra ny « dropshipping ». Samihafa amin’ireo fivarotana eo amin’ny aterineto mahazatra izy io satria tsy mila manana tahirin’entana ny mpivarotra manao « dropshipping » fa manafatra avy hatrany amin’ny orinasa mpamatsy ny entana tiana amidy ary maka tombony amin’ny vidin’izany.
Izany hoe manangana « boutique en ligne », ohatra hoe ao amin’ny Facebook, ary apetraka ao ny sarin’ireo entana amidy. Mifanaraka amin’ny orinasa mpamatsy ny entana amin’ny fomba fandefasana ny entana aty Madagasikara avy eo maka tombony amin’ny vidiny handafosana ilay entana.

Ahoana ny fizotran’ny « dropshipping » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia mila manokatra « boutique en ligne » aloha ilay mpivarotra maniry hanao « dropshipping ». Rehefa vita izay dia mikaroka ireo entana eritreretina amidy sy ireo orinasa mpamatsy sy mpamokatra entana afaka hanafarana entana. Ny ankamaroan’ireo mpanao « dropshipping » eto amintsika dia ao amin’ny Facebook no manao izany varotra izany.
Apetrak’izy ireo eo amin’ny « page » ireo entana samihafa ahitan’ny mpividy azy. Asainy manao « commande » ny mpividy liana amin’ilay entana avy eo izy ireo vao manafatra ilay entana amin’ny orinasa mpamatsy entana. Rehefa tonga ilay entana dia ilay mpivarotra manao « dropshipping » no mandefa azy any amin’ny mpividy. Amin’ny vidin’ilay entana amidy io no maka tombom-barotra.

Ireo lafy tsara sy lafy ratsin’ny fanaovana « dropshipping »

Maro ireo lafy tsara azo amin’ny fanaovana « dropshipping ». Mora atomboka ity karazana varotra ity no izy tsy mila manana tahirin’entana sy vola be ampiasaina. Ankoatra izay dia afaka mivarotra entana maro karazana nefa tsy mila manoka toerana malalaka hitahirizana izany. Maivana ihany kokoa ny asa atao satria tsy mila misahana ny fitantanana ny « stock ».
Misy ihany koa nefa ireo mety ho lafy ratsin’ny fanaovana « dropshipping ». Mety ho ambany ny tombom-barotra azo raha maro ireo mpifaninana eo amin’ny tsenam-barotra. Miankina betsaka amin’ny orinasa mpamatsy entana ny kalitaon’ny entana sy ny fotoana ahatongavan’izany. Sarotra ihany koa ny manao fitarainana raha sendra misy olana ny entana tonga.

Lire la suite

Articles Similaires