• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © L'Express De Madagascar
Image
Asa & Fianarana

Fanadinam-panjakana : Ahoana no atao handresena ny tahotra ?

24/05/2023 11:25 © Moov.Mg

Maro ireo mpianatra no mahatsiaro tena mangovitra, marary kibo, manavy… rehefa manakaiky na tonga ny andro hiatrehana ny fanadinana. Mety miteraka tsy fahombiazana izany fahatahorana diso tafahoatra izany raha toa ka tsy voatohitra. Zaraina eto ary ireo fomba afaka ataon’ny mpianatra entiny handresena ny tahotra alohan’ny fanadinana.

Mianatra lesona tsara mba handresena ny tahotra alohan’ny fanadinana

Anisan’ny antony iray mahatonga ny mpianatra mitaintaina rehefa miatrika fanadinana ny tsy fahaizana na ny tsy fahafehezana ny taranja izay atao. Fomba iray lehibe handresena ny tahotra alohan’ny fanadinana noho izany ny fanaovana famerenana tsara. Tsara raha hianarana mandritra ny taona ny lesona rehetra ary manao famerenana rehefa akaiky ny fanadinana. Mety miteraka rarin-tsaina tokoa mantsy raha miandry antomotra kely vao hianarana ny lesona nandritra ny taona. Anjarantsika ray aman-dreny ny manara-maso ny zanantsika mba tsy ho variana loatra mandritra ny taom-pianarana hisorohana ny fitaintainana rehefa tonga ny fanadinana, indrindra ho an’ireo hanala fanadinam-panjakana.

Maka fotoana hialana voly ny saina mba handresena ny tahotra alohan’ny fanadinana

Manampy betsaka amin’ny fampitoniana sy ny handresena ny tahotra alohan’ny fanadinana ny fakana fotoana hialana voly. Mila mianatra sy mamerina lesona matetika ny mpianatra. Lanjalanjaina tsara kosa ny fotoana anatanterahana izany mba hisorohana ny arerahana loatra eo amin’ny saina. Izany indrindra no ilaina ny fanaovana fialamboly afahan’ny saina maka aina. Azo atao ohatra ny manao fanatanjahantena, mitsangatsangana, mandedeha miaraka amin’ny namana… Tsy manao reraka kosa nefa rehefa manakaiky ny fotoanan’ny fanadinana.

Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy manome hery

Rehefa manakaiky ny fanadinana dia miakatra ny tahotra eo amin’ny mpianatra ka lasa mitarika falain-komana eo aminy izany. Misy ihany koa ireo te hihinana sakafo matsiro be na zava-mamy tsy mahasalama. Misy fiantraikany amin’ny fahombiazana amin’ny fanadinana nefa izany. Mifanohitra amin’izany nefa no tokony atao. Mila omena sakafo ara-pahasalamana sy manome hery ireo mpianatra hiatrika fanadinana mba hisorohana ny aretina sy ny havizanana. Mihena kokoa ny tahotra alohan’ny fanadinana rehefa salama sy ampy hery tsara ny mpianatra hiatrehana izany.

Atao ampy tsara ny torimaso mandritra ny fotoanan’ny fanadinana

Ho tony kokoa ny mpianatra miatrika fanadinana rehefa ampy torimaso tsara. Mampihena ny rarin-tsaina sy ny fitaintainana tokoa torimaso rehefa ampy tsara. Fadiana noho izany ny miari-tory be na mifoha aloha be loatra mandritra ny fotoanan’ny fanadinana. Mila ampy adiny 8 isak’alina ny torimasony mba hisorohana ny havizanana sy ny tahotra aterak’izany alohan’ny fanadinana. Omena akondro na atao misotro ronono iray vera izy alohan’ny ankanesany eo am-pandrina raha sahirana vao mahita tory.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo