• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Overseas.Mofa.Go.Kr
Image
Asa & Fianarana

Fiofanana haiady : mitondra tombotsoa maro ho an’ny vatana sy ny saina

10/05/2023 15:28 © Moov.Com

Efa manomboka miroborobo eto Madagasikara ireo karazana fampiofanana momba ny haiady. Afaka manao izany avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Inona avy ary ireo tombontsoa azo avy amin’ny fiofanana haiady ? Inona kosa ireo fepetra mila arahina mba hisitrahana izany vokatsoa entin’ny haiady izany ?

Manatsara ny fandrindrana ny vatana manontolo ny fiofanana haiady

Ny fanehoana ny teknika amin’ny ady amin’ny tanana, tanana sy tongotra na amin’ny fitaovam-piadiana no atao hoe haiady. Maro karazana moa ny haiady ary samy manana ny teknika ifotorany izy ireny. Anisan’ny tombontsoa voalohany azo amin’ny fiofanana haiady ny fanatsarana ny fandrindrana ny vatana. Hianarana amin’izany tokoa mantsy ireo fihetsika ampiasana sy andrindrana ireo faritra samihafa amin’ny vatana mba haresena ny mpifanandrina amin’ny tena. Toy ny fanatanjahantena rehetra dia manazatra ny vatana hiara-hiasa amin’ny akingan’ny saina ihany koa izany.

Mikolokolo ny vatana sy ny saina

Amin’ny maha fanatanjahantena azy dia manampy betsaka amin’ny fikolokolona ny vatana sy ny fahasalamana ny fiofanana haiady. Mila manao fanazaran-tena ireo mpiofana mba hanafanana sy hanomanana tsara ny vatana amin’ireo karazana teknika hianarana. Koa satria moa mampiasa hery ny fanaovana haiady dia mila manao ireo karazana fanazaran-tena mampitombo hery sy manatsara ny fisefoana ihany koa ny mpiofana. Manatsara ny fikorian’ny rà sy ny fiasan’ny fo noho izany ny fiofanana haiady. Manampy betsaka amin’ny fikokokolona ny saina ihany koa izany. Marihina fa ny fiarovan-tena sy ny fifehezan-tena no foto-kevitra hijoroan’ny haiady. Manefy ny fomba fiasainan’ireo mpiofana mba hanaja ny lalàna, tsy mora hisaindaotra ary ahafehy tena izany ity taranja ara-panatanjahantena ity.

Ireo fepetra arahina mba hisitrahana ny vokatsoa entin’ny fiofanana haiady

Mila miofana amin’ny toeram-piofanana manara-dalàna ny mpiofana raha te hisitraka ireo vokatsoa entin’ny fiofanana haiady. Ny mpampianatra matihanina amin’ireny sehatra ireny dia nanaraka fiofanana manokana ara-batana sy ara-tsaina mba afahany mampita ny fahaizany amin’ny mpianany. Izy ireo ihany koa no mahafehy ny fanazaran-tena rehetra ilaina mba ahafehezana ny haiady sy hisorohana ny ratra vokatry ny fihetsika diso na mandratra. Efa ahitana toeram-piofanana haiady maro eto Madagasikara ka anjaran’ny tsirairay no misafidy izay karazana haiady tiany atao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo