• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Asa & Fianarana

Moov confidences : Ny asa an-tselika no tena mahavelona ny ankohonako

16/01/2023 14:02 © Moov.Mg

Maro no mametraka fanontaniana hoe mahavelona tokoa ve ny karama raisina isam-bolana ... Maro ireo misalasala hoe hiasa anaty orinasa sa hiasa tena ... Amiko dia tsotra ny valiny : sady miasa amin'ny orinasa no manao asa an-tselika ....

Fikirizana sy faharetana

Tsy hampanan-karena na oviana na oviana ny miasa miditra amin'ny 7 maraina ka miarava amin'ny 5 hariva, indrindra moa ho an'ny mpiasa madinika ...
Raim-pianakaviana ny tenako, manan-janaka 3. Sady miasa amin'ny orinasa tsy miankina iray aho no manao asa an-tselika eny rehetra eny. Mpiambina (securité) no asako. Manana talenta amin'ny fanamboarana fiara nefa ny tenako. Efa mahazatra ireo "clients" ny manantona ahy amin'ny toeram-piasako. Misy parking malalaka rahateo moa. Rehefa tsy misy asa, satria moa ireo mahalala ihany no tena manatona ahy, dia mikarama manasa fiara aho. Tsy isalasalako ihany koa ny mitondra entan'ireo mpivarotra na manampy ireo mpitondra sarety mba ahazoana kafe kely. Misy fotoana mahazo be, misy fotoana nefa tena maina ny tsena. Tena reraka tokoa ny vatana saingy ny saina no atao matanjaka.
Amiko manokana, tsy misy asa mahamenatra. Maro ireo mpanakarena no manambany sy manao tsinontsinona, saingy tsy nataoko latsaka am-po izany. Na kely aza ny karama, aleoko miafy mandray kely toy izay mandry fotsy. Misy asa an-tselika mba ahazoana fanampiny kely koa moa.

Trano hazo .... lasa trano maoderina ...

Namana somary efa zokinjokiny no tena nampianatra ahy mikasika ny fitadiavam-bola. Fony aho vao nanambady, folo taona lasa izay, dia trano hazo no nofaina. Entana tsotsotra avokoa no nampiasaina. Tsy nahazatra ahy ny nangataka tamin'ny ray aman-dreny na dia mba manan-katolotra ihany aza izy ireo. Tena kely ny karama, saingy niezaka hatrany nanangona isam-bolana sady nifady ny trosa. Sady manao asa tena teny foana nefa, mba ahazoana vola aingana kokoa. Soa ihany, fa manampy ahy tokoa ramatoa vadiko, ka manao varotra isan-karazany anodinam-bola.
Ela ny ela, nahazo tany kely tamin'ny ray aman-dreniko izahay. Nanomboka teo ny fanamboarana trano. Vola kely no nanombohana saingy nahita izay sahaza teny foana. Roa taona moa no faharetan'ny fanamboarana. Amin'izao fotoana izao, manana trano azo lazaina fa tsara izahay. Efa nihatsara ihany koa ireo fanaka sy entana isan-karazany ilaina ao an-trano. Tena feno fifaliana izahay mivady mahita ny lanja miakatra amin'ny fiainanay, eny fa na dia tsy mora aza ny lalana nolalovana.

Misondrotra hatrany

Raha ny eto Gasikara, tsy ny asa no tsy misy fa maro ireo miavona na menatra. Maro ny asa efa nataoko mba hahasoa ny vady aman-janako. Na ny natsaka ranon'olona aza dia tsy mahamenatra ahy rehefa mipetrapetraka eo an-tanàna iny.
Tsy mbola manana eritreritra ny hiala amin'ny asako aho hatreto. Manangona vola aho hananganana "garage" kely. Mety malotoloto tokoa aho amin'ny andavan'andro, saingy tena miezaka manao madio sy mianjaika rehefa alahady, indrindra moa fa rehefa mamonjy fety.
Ny hafatra ho an'ny tanora ? Tsy mora ny mitady vola, nefa azo atao tsara ny mampiasa saina sy herin-tsandry. Na nahita fianarana na tsia, aleo manao ny asa izay misy aloha. Hita miandalana eny foana ny fivoarana sy ny "ketrika" azo atao. Aza mitsiriritra ireo efa mpanankarena fa ny harena mora azo tsy maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo