• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Taombaovao Malagasy : Fidiovana sa Alahamadibe ?

27/03/2025 08:57 © Moov

Miteraka adi-hevitra maro ny mikasika ny Taombaovao Malagasy, efa an-taonany maro izay. Tsy vitsy ireo misafidy ny tsy hankalaza izany satria toa samy manana ny datiny. Misy hevitra tsy ifanarahana ihany koa ny amin’ny Fidiovana sy Alahamadibe.

Miisa 3 amin’ny ankapobeny ny karazana Taombaovao eto Madagasikara. Misy ireo mankalaza izany amin’ny fiafaran’ny fahavaratra, izany hoe volana marsa matetika. Misy kosa ireo somary taratara vao mankalaza izany, satria manaraka ny Alahamadibe, izay mety miovaova arakaraka ny fanisana andro. Matetika dia volana Aprily ny fankalazana. Ao ihany koa ireo mankalaza ny taombaovao Malagasy lohataona, matetika volana septambra. Samy manana ny fanazavany, izay samy mitombina tsara, ireo mpandala fomban-drazana izay efa manana ny datiny avy.

Taombaovao Malagasy Fidiovana sa Alahamadibe ?

Samy taombaovao Malagasy no resaka, fa ny fotokevitra itondrana izany no tsy mitovy. Amin’ity taona ity aloha, mifanojo ny datin’ny fiafaran’ny fidiovana sy ny Alahamadibe. Ireo mpankalaza nefa dia samy mitazona ny hevitra ijoroany hatrany.

Fidiovana, fetim-pirenena

Ara-tantara, ny fidiovana na fandroana no fomban’ny Mpanjaka rehefa taombaovao malagasy na fetim-pirenena raha ny teto Imerina no resahina. Efa nanomboka tamin’ny vanimpotoana nitondran’ny Mpanjaka Ralambo izany, teny Ambohidrabiby. Ny andro farany tamin’ny taona hatrany no fanaovana izany. Esorina ny loto rehetra mba hahamasina ny Mpanjaka, ka izany no itenenany hoe « Mba ho Masina anie aho » rehefa tondrahina rano iny. Natao fifaliambe ny fandroana ka rehefa vita izany, nisy hatrany ny fizarana fifaliana nataon’ny andriamanjaka tamin’ny vahoaka, tamin’ny alalan’ny famonoana omby sy fihinanana izany hena izany.

Alahamadibe, fanasinana

Rehefa tonga teto Madagasikara ireo vahiny, nanomboka nisy ny Alahamadibe, izay tsy ny Merina rehetra no nankato azy. Fahiny hono mantsy, ireo mpitazona ny sampin’ny Mpanjaka no tena nankalaza izany. Andro mahery sy mitondra vintana tsara tokoa ny Alahamady, ka tamin’izany no nanandratana sy nanasinana ireo sampy mpiaro ny fanjakana. Nisy ihany koa ny famonoana omby, saingy ireo mpitazona ny sampin’ny Mpanjaka ireo ihany no nisitraka ny hena.
Voarara nefa ny fankalazana ny Alahamadibe rehefa nandray ny fivavahana Kristiana ny Mpanjaka : Radama II, Rasoherina, Ranavalona II sy Ranavalona III. Nofoanana ny fankalazana iombonana, saingy mbola nisy fianakaviana maro nankalaza izany tany an-tokantrano ny avy, indrindra ireo taranaky ny ampanjaka izay mbola nahatahiry sampy. Taty aoriana, rehareha no nahatehirizana ireo sampin’ny Mpanjaka, izay toy ny harena navelan’ireo razambe, koa dia rehareha ihany koa ny fankalazana indray ny Alahamadibe amin’ny maha-taranak’andriana.

Inona ary no foto-kevitra arahina ?

Raha ny tantara no jerena, ny « Fidiovana », fetin’ny Mpanjaka sy ny vahoaka tsivakivolo, no azo lazaina hoe Taombaovao Malagasy. Natao hoe « fetim-pirenena » izany fahagola. Mitazona izany foto-kevitra izany ny eny amin’ny vohitr’Ambohidrabiby. Toy izay ihany koa ny vohit’Analamanga. Araka ny efa natsidika, i Ambohidrabidy, i Manjakamiadana sy i Mahamasina no handray ireo lanonanana mifandraika amin’ny Fankalazana ny Taombaovao Malagasy Fidiovana.
Ny Alahamadibe kosa dia fahatsiarovana sy fanomezan-kasina ireo mpandala fomban-drazana voafidy. Tsarovana manokana ireo Mpanjaka sy ireo akaiky azy, satria ny fanahin’ireo no mpitondra hataka amin-janahary. Voakasiky ny Alahamadibe ihany koa ireo fianakaviana manana razambe teraka Alahamady. Manatanteraka Alahamadibe ohatra ny eny amin’ny vohitr’Ambohimanga, izay ahitana Doany nampiraisana ny fanjakana Merina (notarihan’Andrianampoinimerina) sy ny fanjakana Sakalava (notarihan’Andriamisara). Mankalaza ny Alahamadibe ihany koa ny eny Ambatofahavalo (Doany Mananara) sy ny eny Anosimanjaka.

Iza no afaka manatrika ?

Ny azo antoka aloha, ny fotokevitry ny Fidiovana na Fandroana no tena Taombaovao Malagasy.
Noho ny ezaka iombonana amin’ny famerenan-kasina ny Kolontsaina sy Fomba Malagasy nefa, samy miantso ny besinimaro avokoa na ny mpankalaza ny Taombaovao Malagasy Fidiovana na ny Alahamadibe. Midio sy mahazo tsodrano avokoa ireo mpanotrona. Ireo pitsopitsony amin’ny fomba aman-panao tanterahina no misy mahasamihafa azy, arakaraka ny vohitra tsirairay. Na inona na inona finoana, na avy aiza na avy aiza fiaviana, afaka mandray anjara avokoa.
Koa satria efa samy mahalala mikasika ireo hevitra roa ireo, azo atao tsara ny misafidy ny toerana aleha amin’ny fankalazana iombonana ny taombaovao Malagasy amin’ity taona 2025 ity.
-Taombaovao Malagasy Fidiovana : Rovan’i Madagasikara Manjakamiadana, Kianjan’ny Kanto Mahamasina, Rovan’Ambohidrabiby, Ambohidratrimo. Hisy fankalazana ihany koa any Tsiroanomandidy, faritra Bongolava.
-Taombaovao Malagasy Alahamadibe : Doany Ankazomalaza Ambohimanga, Doany Mananara Ambatofahavalo, Anosimanjaka

Lire la suite

Articles Similaires