• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Madagasikara

Rovan'Ilafy : Lapam-pialantsasatr'i Radama II fahiny sady misy ny fasany

05/03/2025 10:51 © Moov

Anisan'ireo vohitra masina 12 amin'ny Fanjakana Merina ny eny Ilafy. Tafiditra ao anaty lisitry ny vako-pirenena Malagasy io Rova io, nefa tsy dia be mpitsidika firy raha ampitahaina amin'ireo Vohitr'Andriana hafa.

Mendrika tsidihana tokoa ny Rovan'Ilafy noho izy manankarena tantara. Nataon-dRadama II fonenana faharoa, izany hoe fialan-tsasatra, io lapa io. Ao an-toerana rahateo no misy ny fasany. Fitazatazanan'ireo mpanjaka nifandimby ihany koa ny Lapan'Ilafy. Tazana avy eny an-toerana mantsy Antananarivo sy ny manodidina, ka anisan'izany ny Lapan'i Manjakamiadana ary ireo vohitr'Ambohidratrimo sy Antongona.

Tantaran'ny Rovan'Ilafy

10 kilometatra avaratr'Antananarivo, eny amin'ny Kaominina Ankadikely-Ilafy, no misy ny Rovan'Ilafy. Tamin'ny andron'ny Mpanjaka Andriambelomasina no nanorenana azy. Mbola Ambohitrakanga no niantsoana io toerana io tamin'izany fotoana izany. Niova ho Ilafy ny anarany nandritra ny fanjakan'Andriamasinavalona, izany hoe teo anelanelan'ny taona 1675 sy 1710. Napetraka tao an-toerana mantsy ny lafin-kavan’andriana.
Misy rihana iray moa ny Lapan'Ilafy. Ny ambany dia trano kotona tamin'ny fanjakan'Andrianampoinimerina. Ny ambony kosa dia sarendry, ahitana gorodona vita amin'ny hazo miendrika "zigzag". Tamin'ny taona 1981, vanim-potoana naha-minisitry ny kolontsaina an'Itompokovavy Gisèle Rabesahala, natao ho tranombakoka na "musée d'art" ny Rovan'Ilafy.


Copyright Image : © MSK

Vohitra Masina mitahiry harembakoka

Rehefa nanomboka niditra teto Madagasikara ireo vahiny, nahasarika azy ireo ny Rovan'Ilafy. Nandritra ny fanjakan'i Ranavalona I, ny taona 1828 hatramin'ny 1861, nataon'i Jean Laborde toy ny "cité industrielle" mihitsy ny teny Ilafy. Nisy ny toeram-pamokarana vokatra isan-karazany, toy ny savony. Rehefa nandimby an-dRanavalona I reniny i Radama II, ny taona 1861 hatramin'ny 1863, nankafiziny fatratra ilay vohitra ka nataony toeram-pialantsasatra. Nanorenany lapa araka izany tao an-toerana. Ao anatin'io lapa io ireo fitaovana samihafa nampiasain-dRadama II, ka anisan'izany ny fitaovam-pihinanana samihafa vita amin'ny hazo sy ny tanimanga. Mikasika ny fialamboly, tena tia fanorona sy mitsoka sodina ary mitendry lokanga lava io Mpanjaka io. Mbola voatahiry ihany koa ireo mari-boninahitra, ny lefona sy ny tombokasen-dRadama II. Mazava ho azy, misy sary sikotra sy tahirin-tsary vitsivitsy ao amin'ny Rovan'Ilafy. Tsy adino ny asa tanana maneho ny karazan-trano misy eto Madagasikara.
Rehefa niamboho ny Mpanjaka dia tao amin'ny vohitr'Ilafy no nafenina ny taolambalony. Tamin'ny 23 septambra 1862 moa no nindaosin'ny fahafatesana i Radama II na Rakototsehenondradama, zanaky ny Mpanjakavavy Ranavalona I.


Copyright Image : © MSK

Fitsidihana ny Rovan'Ilafy

Misy lalana 2 ny mankany amin'ny Rovan'Ilafy. Azo atao tsara ny miakatra fiakarana eo anelanelan'Analamahitsy sy Andrononobe, ka mihazo an'i Manjaka (faran'ny fiara fitaterambahoaka 126). Misy lalana ihany koa avy eny Ankadikely, mitsofoka eo alohan'ny Somacou, mandalo ny faran'ny fiara fitaterambahoaka 192.
Misokatra hatrany ny Rovan'Ilafy, na andro fiasana, na faran'ny herinandro : alatsinainy hatramin'ny alahady. Amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 5 ora hariva ny ora fisokafan'ny toerana.



Lire la suite

Articles Similaires