• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ipa.Jpg
Image
Madagasikara

Vakivakim-piainana : Tantara foronina Malagasy ao anaty Fandaharam-pianarana

25/09/2024 09:22 © Moov

Tsy misy mpianatry ny lisea nanaraka fampianarana ankapobeny (tato anatin'ny 20 taona teo ho eo) ka tsy namaky ny boky "Vakivakim-piainana". Tsy ireo mpianatra ihany nefa no liana amin'io boky io, fa ireo mpankafy asa soratra malagasy rehetra, na tanora na efa nahazoazo taona.

Vakivakim-piainana, asa soratr'i IPA

Anisan'ny ankafizan'ny mpianatra hanala Bakalorea ny Taranja Malagasy ny fianarana mikasika ireo asa soratra Malagasy. Manintona ny maro manokana ny sombin-tantara foronina mitondra ny lohateny hoe "Vakivakim-piainana".
Iharilanto Patrick Andriamangatiana (IPA) no nanoratra io boky io. Amin'izao taona 2024 izao, 69 taona izany ny tenany satria teraka ny 16 may 1955 izy. Mpampianatra ny taranja Malagasy izy (talohan'ny nisotroany ronono), sady mpanoratra, ka ny taona 1995 no nanoratany ny "Vakivakim-piainana" tamina fifaninanana iray. Tsy io nefa no asa sorany voalohany satria efa nivoaka ny taona 1985 ny tantara foronina "Do Miverina", ny tantara an-tsehatra "Mody sary mihetsika" ary ny tantara an'onjam-peo "Ilay vatsy famatsiana".
Matetika dia mihaona amin'ireo mpankafy, indrindra ireo mpianatra i IPA, amin'ireo fotoana miavaka karakarain'ny HAVATSA-UPEM. Misy ihany koa ireo horonantsary fohy nataony mikasika ny "Vakivakim-piainana" nentina nanazavana ny fivoaranan'ny mpilalao fototra arakaraka ny zavatra iainany ohatra. Tamin'ny voalohany ohatra i Tsiry, fony izy nitondra ny solon'anarana hoe "Besapaka" dia nahia sy tsy tsara fitafy firy. Rehefa niasa tao amin'Ingahy Aziz kosa izy ka nivoatra kokoa, nahazo ny solon'anarana hoe "Mose Tsiry na Ingahikely" dia nahazoazo aina sady bebe kibo.
Tamin'ny taona 1995 dia nahazo ny laharana voalohany tamin'ny fifaninana tantara iray io boky "Vakivakim-piainana" io : 1er Prix du HAVATSA-UPEM. Nibanjina ny fahasarotana manjo ny tanora Malagasy ny mpanoratra tamin'ny namoronany io tantara io. Navoaka boky moa ilay tantara foronina ka mbola ao anaty fandaharam-pianarana hatramin'izao.

Vakivakim-piainana, adim-piainana misafotofoto

Isaky ny mamaky boky na mijery horonantsary dia tsara fiafarana hatrany matetika. IPA kosa dia nisafidy fiafarana somary manahirana tamin'ny tantaran'i Tsiry, ilay mpilalao fototra. Miposaka ho an'ny rehetra tokoa mantsy ny masoandro,saingy misy tsy maintsy eo amin'ny karakaram-baravarankelin'ny fonja no mahazo taratra manafana.
Azo lazaina fa ady mafy hatrany no niainan'i Tsiry, na fony teny amin'ny Ambaratonga ambony, na tany amin'ny anabaviny, na nony niakatra teto Iarivo. Mety tsy afa-misaraka amin'ny fahantrana angamba ny tsy fahombiazana.

Ambaratonga Ambony

Nahazo ny maripahaizana Bakalorea soa aman-tsara i Tsiry. Nianatra mikasika ny fitantanana ny tenany nefa tsy nahomby. Nisy olon-tiany ihany koa izay tena nandrandrainy fatratra nefa nanaraka vahiny, noho ny saranga tsy mitovy. Voatery nody tany ambanivohitra izy araka izany, ka tany amin'ny anabaviny no nipetraka. Io tsy fahombiazany tamin'ny fianarana io indrindra no nanomezan'ireo mpantsaka azy ny anaram-bositra hoe : I Besapaka, na i Be Saina Mpaka Rano.
"Iny r'ireto i Besapaka a!" Hoy ny eso mitakoritsika niakatra ho kakakaka. Nitsoriaka nody faingana aho fadiranovana ery! I be saina mpaka rano na " Besapaka" no anarambosotro hatramin'ny nahafantaran'izy ireo fa " very seza teny Ankatso teny" aho. Namerin-taona tsy afaka manko ka voaroaka tamin'ny Fiofanana ho Mpitantan-dRaharaha...Dia ny raharaha tao an-tokan-tranon-dRanabavy sisa mba notantaniko! Saingy tsy mba neken'ireto mpantsaka ho nitovy zara taminy aho, hany ka noraiketiny hoe i Be saina mpaka rano. Dia menatra aho"...

Tsiry be sy Vony kely

Toy ny mpanampy an-trano mihitsy i Tsiry tao amin'ny anabaviny. Izy avokoa no miandraikitra ny raharaha rehetra. Na izany aza, mandatsa azy hatrany Ramily zaodahiny, asa tokoa hoe "zaodahy tsy mba havana" ve. Tsy tia azy ihany koa ilay zanak'anabaviny lahimatoa. I Vony kely, ilay faravavy, no tena mba tia azy. Nahery hatrany izy noho ny hantahantan'i Vony kely, saingy tofoka ihany noho ny farany. Amin'ilay zaodahiny mantsy, "aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola". Ny havan-tiana angamba tsy iaraha-monina ?
Vatsy kely no mba nananan'i Tsiry raha niakatra teto Iarivo, ka na ny toerana natoriana aza tsy nisy. Izany no nahatonga azy nanaiky nanaraka mpivarotena.

Tsiry sy Mino

Rehefa nanapa-kevitra hiakatra teto Antananarivo i Tsiry dia nanaraka tsy sazoka tovovavy mpivarotena izay antsoina hoe Meja, satria tsy nahita trano isitrihana. Rehefa tonga tany an-tranon'io tovovavy io i Tsiry dia nifankahita tamin'i Mino indray : naman'i Meja i Mino, ary samy mpivarotena izy roa. Nijanona tamin'ny asany kosa nefa i Mino noho ny areti-mandoza izay nahazo azy. Nahitan'i Meja asa tamina Karana i Tsiry. Toa nahatokisan'ilay mpampiasa azy ery izy, nefa nofandrihany tamin'ny fotoana farany. Nifantoka tamin'ny famelomana sy fitsaboana an'i Mino loatra i Tsiry ka nahafaly azy ery ny hoe "Nanomboka ho hazo avo aho", sady tsy tsaroany akory ilay fampitandreman'ny namany azy hoe " ny ngetroka tsy hanavotra an'ialahy maimaim-poana, fa ao raha". Nifarana tamin'ny fampidirana am-ponja an'i Tsiry moa ny tantara.

Vakivakim-piainana, taratry ny fahaverezan'ny fihavanana Malagasy

Tamin'ny taona 1995 izany, azo lazaina hoe vanimpotoana taloha, dia efa hita taratra ny fahaverezan'ny soatoavina malagasy. Na dia tokony mbola nandala ny fihavanana tanteraka aza tamin'izany, dia efa nisy ireo havana sy mpiara-monina nanao tsindrio fa lavo, maika moa fa amin'izao vanimpotoana izao ?
Amin'ny ankapobeny, azo lazaina fa "ny havan-tiana tsy iaraha-monina". Samy manana ny tokantranony tokoa mantsy ka manahirana ny mihinana amin'ny hatsembohan'olona, na dia misy aza ny fifanampiana. Tsy fanao ny mipetraka amin'ny havana na dia eo aza ny maha-kamboty. Tahaka an'i Tsiry izao dia naleony nitady lalana na dia tsy nisy olona niantranoana sy nikarakara aza ny tenany. Nasongadin'ny mpanorata kosa nefa ny fahatsaram-pon'ny zaza, tamin'ny alalan'i Vony kely.
Misy fampitandremana azo raisina ihany koa ao amin'ilay tantara foronina eo amin'ny sehatry ny asa. Mila mitandrina ny tsirairay rehefa omena fahatokisana loatra satria mety misy fandrika ao ambadik'izany. Tsy adinon'i IPA ihany koa ny nanome lesona eo amin'ny sehatry ny fitiavana. Nanenina mafy mantsy i Mino hoe raha mba nahay nionona tamin'ny fitiavan'i Tsiry dia tsy noviravirain'ny vahiny sy voatery nanao asa mahamenatra. Mbola maro tokoa ireo tanora no sodokan'ny akanga tsara soratra ka mitady olon-tiana efa manana ny ampy ka handositra an-drafahantrana.
Raha aravina dia misedra olana maro ny tanora Malagasy. Miha-mafy hatrany ny adim-piainana satria na ireo havana antenaina hanarina aza mety handetika. Tsy mora ihany koa ny te ho tafita eo amin'ny sehatry ny asa. Tsy ho tsiny anie, ny hamintina ilay tantara amin'ity oha-pitenenana ity hoe "ny ory tsy havan'ny manana".

Lire la suite

Articles Similaires