• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Hitek
Image
Madagasikara

« Vendredi 13 » : andro tsy mampisy vintana tokoa ve ?

13/10/2023 11:07 © Moov.Mg

Maro tokoa ny olona maneran-tany no mino fa andro ratsy sy tsy mampisy vintana ny andro zoma faha 13 amin’ny volana na ny « vendredi 13 ». Noho izany dia tsy masahy mivoaka ny trano ny ankamaroan’izy ireo nohon’ny tahotra sao misy loza mitranga. Fa avy aiza tokoa izany finoana fa andro ratsy vintana ny zoma faha 13 ? Mitombina tokoa ve izany finoana izany ?

Ny antony mahatonga ny fieritreretana fa andro ratsy vintana ny « vendredi 13 »

Efa milentika anatin’ny sain’ny Malagasy maro ankehitriny ny finoana hoe andro ratsy vintana ny « vendredi 13 ». Raha ny marina dia avy any am-pitan-dranomasina no niavian’izany finoana izany fa tsy avy amin’ny Ntaolo akory. Maro ireo fiheverana naroson’ireo mpahay tantara vahiny mikasika ny nihavian’izany finoana mikasika ny andro zoma faha 13 volana izany.
Ny antony ara-pinoana no isan’ireo voalaza fa nitarika izany finoana izany. Voarakitra ao anatin’ny Baiboly tokoa mantsy fa i Jodasy izay Mpianatra faha 13 voaasa tamin’ny fanasan’ny Tompo no namadika an’i Jesosy ka nanome azy an’ireo Romana. Ny andro zoma kosa no andro nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana ka ireo antony ireo no nilazana fa andro ratsy vintana ny zoma faha 13 amin’ny volana.
Ankoatra izay dia nisy ireo fikarohan’ireo mpahay tantara tany ivelany nanambara fa efa avy amin’ny « mythologie nordique » no nihavian’ny finoana fa andro ratsy vintana ny « vendredi 13 ». Voalaza fa ny olona faha 13 nasain’ireo andriamanitra, izany hoe Loki, dia noheverina fa mpitondra loza sy vintana ratsy.
Taorian’ireo antony roa lehibe voalaza ireo moa dia maro ny trangan-javatra sy loza niseho nandritra ny andro zoma faha 13 amin’ny volana ka nanjary nanamafy sy nampitombo izany finoana izany. Tsy fantatra mazava moa raha noho ny maha andro ratsy vintana ny « vendredi 13 » no nahatonga izany karazana trangan-javatra izany na fifandrifin-javatra fotsiny ihany.

Ireo finoana manodidina ny andro « vendredi 13 »

Araka ny fiheverana fa andro ratsy vintana ny « vendredi 13 » dia maro noho izany ireo finoana manodidina izany. Anisan’izany ny tahotra fa hisy loza na zavatra ratsy hitranga amin’izany andro izany. Noho izany tahotra izany dia maro ireo tsy masahy mivoaka ny trano na mandeha « voyage » nohon’ny fanahiana sao misy loza hahazo.
Amin’ny lafiny fitadiavana dia misy ireo tsy masahy manomboka tetik’asa vaovao amin’ny andro zoma faha 13 amin’ny volana sao tsy ho tontosa ny zavatra atao na sao ho very vola. Misy ihany koa ny tsy masahy miloka satria mieritreritra fa ho ratsy ny vintana amin’io andro io.
Samy manana ny heviny moa ny olona rehetra mikasika ny andro « vendredi 13 ». Misy tokoa mantsy ireo tsy mino fa andro ratsy vintana io andro io ka miaina izany toy ny andro rehetra ihany. Maro ihany koa ireo olona niloka tamin’ny andro zoma faha 13 ny volana ka tsara vintana nahazo vola be tamin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo