• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Net
Image
Madagasikara

Zaza mianatra mozika : Lasa marani-tsaina tokoa ve ?

05/10/2023 11:57 © Moov.Mg

Samy te hanan-janaka mahay sy marani-tsaina avokoa ny ray aman-dreny rehetra. Tsy vitsy ireo miomana mialoha, eny alohan'ny hitondrana vohoka mihitsy aza, ny amin'ny haha-lavorary ny fikarakarana ny zaza, na ara-batana na ara-tsaina. Mety hanampy ary ve ny mozika ?

Effet Mozart

Na Malagasy na vahiny, samy mahalala avokoa fa izay tontolo ampiainana ny zaza dieny any an-kibo no mamaritra betsaka ny fisainany sy ny fihetsem-pony, indrindra ny faharanitan-tsainy. Izany indrindra no amporisihana ny vehivavy bevohoka hiaina am-pilaminana tsara, hamaky boky sy hiaino mozika malefaka.

Ny mpitsabo malaza iray antsoina hoe Alfred Tomatis, fantatra amin'ny solon'anarana hoe "Docteur Mozart", dia nanatanteraka fikarohana manokana mikasika ny vokatsoan'ny mozikan'i Wolfang Amadeus Mozart.


Copyright Image : © RegardsLéo

Ny "Effet Mozart" izany dia ilay asan'ny mozika mandamina, mandrindra ary manatsara ny fiasan'ny saina. Aminy manokana, ny fihainoana mozika malefaka mandritra ny 10 hatramin'ny 15 minitra isan'andro dia efa ampy, indrindra ho an'ny ankizy. Mampiakatra ny Quotient Intellectuel (QI) na faharanitan-tsaina izany. Koa satria efa mahatsapa ny tontolo manodidina azy ny zaza ao am-bohoka, efa azon'ny vehivavy bevohoka tsara ny mihaino ny mozikan'i Mozart, manomboka amin'ny faha-5 volan'ny kibo. Misy mihitsy ireo mametraka ny écouteurs eo amin'ilay kibo mibontsina. Maro ireo reny manaporofo fa ny mozika fihaino nandritra ny fitondrana vohoka ihany no ampiasaina ampatoriana ny zaza rehefa teraka. "Calme" kokoa ny zaza sady tsy dia miferin'aina loatra.
Tsara tohizana ilay fampihainoana mozika isan'andro, indrindra alohan'ny hatory. Miha-tia mozika tsikelikely ilay zaza, sady mirafitra kokoa ny fiasan'ny atidohany. Tsy ho sarotra rahateo ny hampianatra zava-maneno na hira azy avy eo.

Eveil Musical

Raha tiana harani-tsaina ny zaza dia ampiharina ny atao hoe "Eveil Musical". Ny tanjona voalohany dia ny ampahafantarana azy ireo karazana zava-maneno (instruments de musique) sy ireo famantarana (notes de musique) izay ho ampiasaina. Ho an'ireo vao mianatra manoratra, izany hoe 3 na 4 taona, mety hanao "coloriage" amin'ny alalan'ireo boribory isan-karazany izay hianarana "solfèges" rehefa ao aloha kely. Mety hikitikitika kely ireo zava-maneno ao amin'ilay toeram-pampianarana. Ny tena fanaon'ireo mpampianatra moa dia ny mampihira ireo hiran-jaza efa fandre matetika sady arahina tehaka (fianarana manisa "temps" sy ny "tonalité" isan-karazany) : Au clair de la lune, A la Claire Fontaine, Frère Jacques, Au feu les pompiers, sns. Tsara ny manamarika fa misy ireo "Crèches" no manolotra "Eveil musical" ho an'ireo zaza, na manomboka amin'ny faha-herintaona aza. Ho an'ny ankamaroan'ny sekoly dia efa tafiditra anaty "activités parascolaires" ny mozika, manomboka any amin'ny sokajy Prescolaire.


Copyright Image : © Echosiences

Raha ny hevitr'ireo musicologues, ny "Flûte" no ianarana mozika voalohany indrindra. Mampisokatra ny sain'ny zaza ny mamoaka rivotra vao maneno ilay zava-maneno, sady mampizatra ny tanany ny fanapenana ireo lavaka kely amin'ilay zava-maneno. Rehefa mahafehy ny "flûte" mandritra ny taona vitsivitsy izay vao misafidy zava-maneno "instrument" izay tena ho lalaoviny : piano, violon, guitare, sns. Azo atao tsara ny mandefa ny zaza sy ankizy amin'ny toerana fampianarana mozika na maka mpampianatra manokana ao an-trano

Fikolokoloana sy fitsaboana

Fikolokoloana ny zaza ny mozika : mampihiratra ny sainy sy mitarika azy ho tia karokaroka, ary hanala ireo ahiahiny rehetra. Rehefa mozika milamina no henoina dia tonga ho azy ny "relaxation" ary mihatsara ny "concentration". Mahasoa ny olombelona araka izany ny mozika, indrindra moa fa raha malefaka izany. Noho ny efa fahamoran'ny fahazoana aterineto, tsy sarotra ny mahazo ireo mozikan'i Mozart mety ho an'ny zaza sy ny ankizy.

Ampiasaina amin'ny fitsaboana ihany koa ny mozika, indrindra ho an'ny zaza ahitana "retard" na ny fitenenany, na ny hihainoany, na ny fihetsiky ny vatany. Misy ireo "psychologue" ho an'ny ankizikely no mampiditra ny fihainoana mozika malefaka amin'ny "traitement" atao amin'ny zaza kizitina, tsy azo tenenina, mora mitomany na tsy sahy maneho hevitra.


Copyright Image : © Antigone des Associations

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo