• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Université De Fribourg
Image
Madagasikara

Fiaraha-monina : Inona no tena mahatonga ny olona hilalao ody gasy ?

04/10/2023 16:04 © Moov.Mg

"Tsy maty ny gasy raha tsy misy mamosavy" : tena mbola mitombina ve io oha-pitenenana io ? Tsy vitsy isika malagasy no mbola mitazona ody, na dia efa feno fiangonana aza ny tanàna. Inona tokoa àry no tena mahatonga ny fitazomana izany ody izany ? Fisarihana harena, ody fitia sa ody faty ?

Fitadiavana

"Ny vola no maha-rangahy", oha-pitenenana tsy mety lany andro izany. Ny vola tokoa mantsy no antoka iatrehan'ny olombelona ny fiainany andavan'andro, indrindra hahazoana ny zavatra rehetra ilaina toy ny sakafo. Tsy mora nefa ny mitady vola. Ireo nahavita fianarana ambony aza moa sahirana vao mahita asa. Tsy azo lavina ihany koa fa kely matetika ny vola azo amin'ny asa tena. Etsy ankilany, manilika sy mandatsa ny manodidina rehefa hitan'izy ireo fa tsy metimety ny fidiram-bola. Izany indrindra no mahatonga ny olona sasany alaim-panahy hitady harena amin'ny fomba mora kokoa. Manantona olona malaza fa mahay manarim-bitana sy manome ody hahazoana harena haingana izy ireo. Amin'izany moa dia misy ny sorona tsy maintsy atao, toy ny akoholahy mena sy ny tantely. Misy ireo "mpitaiza" mangataka vola. Arakaraka ny hasarobidin'ny zavatra angatahana kosa nefa ny sorona tsy maintsy atolotra.
Ireo mpivarotra moa matetika dia manao "fanitom-barotra" mba hisarihana ireo mpividy, indrindra raha efa feno mpivarotra eo amin'ny manodidina. Ny tanjona amin'izany moa dia ny hahazoana vola misimisy kokoa. Misy kosa nefa ny fadidafy mila arahina sy mila araraka.

Fitiavana

Tsy vitsy ny vehivavy lasa mitaingin-kifafa noho ny fanaovana ody fitia. Ny tena maro dia ireo tia lehilahy iray nefa tsy tian'ity farany, ka dia atao daholo izay hampitodika azy. Ao ihany koa ireo te hitazona ny vadiny izay fantany fa efa miaraka amin'olon-kafa any ivelany. Masiaka loatra mantsy ny fiaraha-monina manoloana ny olona misara-panambadiana. Eo ihany koa ny famelomana ny zanaka iraisana. Amin'ny ankapobeny dia mila sary, na volo na silak'hohon'ilay olona tiana ho alaina na ho tazomina. Tsy vitsy ireo alaim-panahy hamorika izay olona manakatsakana ilay fiarahana.
Matetika nefa dia mahatonga fivoahana alina ny filalaovana ody fitia. Marihana nefa fa na mahomby ilay ody fitia na tsia, tsy afaka mihemotra intsony ilay nanao fanekena. Raha efa mivoaka alina izy, dia tsy afaka amin'izany mba hitandrovana ny ainy sy ny fahasalamany. Araka izany, voafatotra mandra-maty ireo milalao ody. Raha sanatria mivadika ilay olona (tsy manatitra sorona na manao fanompoana intsony ohatra) dia mety ho lasa adala na hamoy ny ainy mihitsy.

Aretina

"Aleo maty rahampitso toy izay maty androany" : matahotra ny ho faty avokoa ny olon-drehetra. Matetika no mirona any amin'ny fitadiavana "mpitaiza" ny olona rehefa manana marary efa tsy ahitam-bahaolana intsony. "Miracle" izany no andrasana hahafahana manala ilay aretina efa tsy sitran'ny dokotera intsony. Maro ireo olona voan'ny cancer, malemy na mitady zaza no tena voasarika amin'ny fitsaboana nentim-paharazana.
Tsy ratsy akory ny manantona mpitaiza, saingy tsara hatrany ny mitandrina. Mampiasa hery manokana mantsy izy ireny amin'ny fitsaboana, ka tsy maintsy voasaringotra ny ara-panahin'ny olona izay mitady fahasoavana any. Mety hitarika amin'ny zava-doza mihitsy izany satria arakaraka ny zavatra angatahina ny tambiny. Misy ohatra ireo olona mitady zaza no tsy maintsy mandatsaka aina vao mahazo izay tadiaviny. Mety hitondra any amin'ny fakam-panahy tsy takatry ny saina izany ny fanoavana ny fifanekena amin'ilay "hery", ho takalon'ny fahazoana zavatra iray na maromaro.
Samy manana ny "rituel" na fombafomba ataony ny mpilalao ody tsirairay. Misy ireo mijery fotsiny izay fanaon'ny "mpitaiza", raha misy kosa ireo tsy maintsy manatanteraka izany.

Fialonana

Misy olona milalao ody noho ny fialonana olona. Tsy mety aminy ohatra ny mahita ny havany na ny namany tafita ka dia somparany tsotr'izao. Raha azavaina misimisy, ataon'ilay mpisompatra izay hampianjera sy haharava fananana ilay olona tsy tiany. Mety hanala ny aina mihitsy aza ny tanjon'ilay ratsy fanahy amin'izany.
Marihana nefa fa misy tambiny avokoa ny zavatra angatahana, indrindra moa raha tsy miandry ny rariny na te hanana mihoatra ny hafa nefa kamo hisasatra. Tsy vitsy ireo mpilalao ody na eto an-drenivohitra, na any ambanivohitra, na any amin'ny faritra. Tsy dia resahina firy izany satria tsy entina anasoavana olona fa anaovan-dratsy. Na ireo mitady fahasitranana aza mantsy dia tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanolorana sorona, indrindra moa fa ny fanekena hanompo hery hafa. Miafina ireo olona mitazona ody, ary toy ny olon-drehetra eny amin'ny fiaraha-monina eny. Misy mihitsy aza moa ireo mitana andraikitra goavana any amina toeram-pivavahana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo