• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Voyage À Madagascar
Image
Madagasikara

Ndeha ho resahina ny famorana na ny didim-poitra amin’ny fomba gasy

06/06/2023 09:14 © Moov.Mg

Ny vanim-potoana ririnina toy izao no fanatanterahana ny famorana raha ny eto afovoantany. Izany dia fomba atao amin’ny zazalahy mba hampijoro azy amin’ny maha lehilahy azy, hahery sy hatanjaka. Misy karazany maro ny fomba fanaovana ny famorana, ka ny fomba gasy no ndeha ho resahintsika anio.

Inona no foto-kevitry ny famorana ho an’ny Malagasy ?

Ny famorana moa dia fanesorana ny loha tsitsy na ilay hoditra mamono ny lohan' ny fitaovam-pananahan' ny lehilahy iny. Fomba ara-pivavahana efa be mpanao tamin’ny andron’i Abrahama moa izany. Raha ny ara-tantara dia ny mpanjaka Andriamanelo no nitarika izany fomba izany teto amin’ny Nosy.
Teo amin’ny Ntaola malagasy kosa dia nosokajiana ho isan’ny « ankasoavana » lehibe indrindra teo amin’ny fiainan’ny lehilahy izany. Noraisina ho fahaterahana vaovao ho an’ny zazalahy kely ny didim-poitra ka rehefa vita izany izay vao azo lazaina fa tena lehilahy sy tafiditra ho isan’ny fianakaviana ity farany. Teo amin’ny Ntaolo tokoa mantsy dia tsy tafiditra ao amin’ny fasan-drazana ny lehilahy tsy vita hasoavana.
Misy karazany maro ny fiantsoana ny famorana eo amin’ny Malagasy ary miovaova isaky ny foko izany. Mety misy fahasamihafana ihany koa ny fombafomba amin’ny fanatanterahana izany. Eto amin’ny faritra Analamanga dia antsoina hoe « famorana », « didim-poitra », « hasoavan-jaza » izany fomba izany ary tanterahana isan-taona. Ho an’ny faritra atsimo atsinana dia atao hoe « sambatra » ka isaky ny 7 taona, mandritra ny volana oktobra no anaovana azy. Antsoina kosa hoe « savatse » ny famorana ho an’ny faritra atsimo andrefana.

Ireo dingana arahina amin’ny fanaovana didim-poitra amin’ny fomba gasy

Ny vanim-potoana ririnina no fanaovana ny famorana eto Madagasikara mba hahamora sy hanafaingana ny fahasitranan’ny fery. Miankina betsaka amin’ny fomban-tany ihany koa nefa ny fanatanterahana izany.
Ho an’ny eto Imerina manokana dia ny rain-jaza na ny mpanasitrana nentim-paharazana no manao ny hasoavan-jaza amin’ny fomba gasy. Mila manatona mpanandro ny fianakaviana ahafantarana ny andro hanatanterahana izany. Kendrena mba ho andro tsy manonto vintana ho an’ilay zaza. Alohan’ny fiposahan’ny masoandro no hanaovana ny didim-poitra. Ao amin’ny trano fonenan’ny zaza moa no atao ny famorana.
Misy moa ireo fombafomba maro tanterahina ho fiomanana amin’izany. Anisan’izany ny fakana voatavo Arivolahy, vatan’akondro atao fametrahana lahin-jiro, fary maromaro tsy miala lohany, volontara, akondro tongalafatra… Apetraka eo amin’ny zoro firarazana ireo rehetra ireo ary olona mbola velon-dray aman-dreny no miandraikitra izany. Mandritra ny fikarakarana dia tsy mahazo mamaha volo fa mirandrana avokoa ny vehivavy. Miara-mikorana, mihirahira, mandiha, mandefa mozika mafy ny mpianakavy sy ny mpanotrona miaraka amin’ny zaza atao didim-poitra mba tsy hatorian’ity farany.
Vao maraimbe dia mizotra maka ny « rano mahery » eny amin’ny Loharano tsy ritra ny tovolahy matanjaka amin’ny fianakaviana. Misy andian-dehilahy manaraka moa izy amin’izany. Rehefa mitodi-doha miverina izy dia sakanan’ireo olona niandry teo an-toerana mba tsy hahatongavan’ny rano mahery ao an-trano. Anjaran’ilay tovolahy niloloha azy no miaro sy manao izay mahatafiditra izany ao an-tokantrano. Izany dia hirariana ny zaza mba hatanjaka, tsy ho farofy, tsy ho resy an’ady ary ho tafita soa.
Manomboka amin’izay ny fandidiana. Ny vatan-dehilahy ihany no afaka manatrika izany. Silaka bambou, antsy kely sy lame no ampiasain’ny rain-jaza hanesorana ny loha tsisy. Tsy mampiasa anesthésie. Mandritra izany fotoana izany dia miara miteny ny lehilahy manatrika eo hoe " Lahy elah eee". Rehefa vita ny fanapahana dia hasandratra ny zaza ary ny rehetra miredona hoe ''Arahaba ririnina eeee " mamaly ny tompin-janaka manao hoe "samy Vita ee". Hohanin’ny raiben’ny zaza miaraka amin’ny akondro ilay loha tsitsy. Ny rano mahery no ampiasaina hanadiovana ny fery sy hisasan’ireo nandray anjara tamin’ny fandidina.
Samy manana ny fomba hanamarihana izany fahasoavana izany moa ny fianakaviana tsirairay. Ny ankamaroan’ny malagasy moa dia mikarakara lanona makotrokotroka arahina fanomezana maro omen’ny mpanotrona ho an’ny zaza natao hasoavana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo