• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Madagasikara

Mihamy Mada Fashion 2023 : Araho an-tsary ireo asa famoronana manandratra avo ny akora Malagasy

15/04/2023 15:42 © Moov.Mg

Nifarana ny sabotsy 15 aprily ny Mihamy Mada Fashion andiany faha-4, izay notontosaina tao Toamasina. Niavaka tokoa ny filatroana omaly hariva, izay nanehoana ny hakanton'ireo akanjo vita tamin'ny akora Malagasy.

Tao amin'ny Port Academy Center Toamasina no notontosaina ny Seho FASHION SHOW. Sady seho no varotra "vente aux enchères" no natao tamin'izany

Akanjo vita amin'ny lamba landy

Anisan'ny mampiavaka ireo akanjo vitan'ny mpamorona eto an-toerana ny lamba azo avy amin'ny landy. Noho ny vidiny izay somary lafo, matetika amin'ny lanonan-dehibe no tena fitondrana azy.


Copyright Image : © MSK

Ireto famoronana ireto no anisan'ny niavaka tamin'ny filatroana. Aingam-panahy tsy ananam-piry no nahazoana izao fitafy izao


Copyright Image : © MSK

Mahafinaritra tokoa ny mahita ny fianjaika gasigasy na ho an'ny lehilahy, na ho an'ny vehivavy, na ho an'ny ankizy.


Copyright Image : © MSK

Akanjo vita amin'ny lambahoany

Anisan'ny ankafizin'ny Malagasy ankehitriny ny fitafy vita amin'ny lambahoany


Copyright Image : © MSK

Natao ho an'ny sokajin-taona rehetra ireo fitafy vita amin'ny lambahoany. Ny vidiny rahateo moa takatry ny besinimaro.


Copyright Image : © MSK

Akora mifangaro

Eto izao dia samy nampiasaina na ny lamba landy na ny soga. Misy singa hafa ihany koa mba amoahana ireo haingo isan-karazany. Arakaraky ny aingam-panahin'ny mpamorona moa no isafidianana ny akora ampiasaina.


Copyright Image : © MSK

Satroka miavaka

Anisan'ny nanamarika ny Mihamy Mada Fashion 2023 ny famoronana miavaka teo amin'ny satroka. Maro ireo asa tanana tsy fahita amin'ny andavan'andro.


Copyright Image : © MSK

Asongadina eto ireo akanjo mihaja ampiarahana amin'ny satroka tsy manampaharoa


Copyright Image : © MSK

Misy ihany koa ireo satroka azo ampiarahana amin'ny akanjo tsotsotra


Copyright Image : © MSK

Akanjo maroloko

Efa mihamaro ireo vehivavy no mankafy akanjo mampiady loko maromaro. Eto izao dia mahavariana tokoa ireo famoronana.


Copyright Image : © MSK

Akanjo ho an'ireo lehilahy jejojejo

Tsy diso anjara ireo lehilahy tia mianjaika. Nahitana karazana akanjo tsy dia fahita firy mantsy tamin'ny filatroana tany Toamasina.


Copyright Image : © MSK

Mbola ho an'ny lehilahy ihany


Copyright Image : © MSK

Famoronana vita amin'ny rofia

Akora vokarina eto Madagasikara ny rofia. Azo ampiasaina tsara anamboarana akanjo, poketra, firavaka sy haingon-trano isan-karazany izy. Eto izao dia nahazoana kavina sy haingon'akanjo ny rofia.


Copyright Image : © MSK

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo