JJ Rabearivelo : Ny fahasarotam-piainany no aingam-panahiny !
Asa soratra toa maneho alahelo, toloko sy adim-piainana : i Jean Joseph Rabearivelo no tonga ao an-tsaina voalohany. Na dia nanan-talenta fatratra aza ny tenany, tsy nahalefitra ny setrasetram-piainana intsony izy, ka namono tena mihitsy no niafarany.
Olombelona toy ny rehetra ny mpanoratra na ny poeta : tsy maintsy mandalo tsiky sy tomany. Ho an'i JJ Rabearivelo, ny sento no saika nameno ny fiainany. Marobe ireo zava-nitranga nampitanondrika azy, indrindra ny nahafatesan'ny zanany vavy. Vao 34 taona monja izy dia nisafidy ny hanapitra ny androm-piainany. Tsy izany fiafarana toa mahamenatra izany nefa mamaritra ny maha-izy azy an'i JJ Rabearivelo. Mpanoratra nahavita be tokoa ny tenany, na teo amin'ny literatiora Malagasy, na tamin'ny fiaraha-monina, na tamin'ny firenena.
Iza moa i JJ Rabearivelo ?
Teraka ny 4 marsa 1 903 ary nodimandry ny 22 jona 1 937 i JJ Rabearivelo. Ara-tantara, i RABE no anarana nomen'ny ray aman-dreniny azy. Safidiny manokana, rehefa lehibe izy, no nanova ny anarany teny amin'ny Fitsarana. Tamin'ny taona 1 931, izany hoe teo amin'ny faha-28 taonany vao niova ara-panjakana ho Jean-Joseph Rabearivelo ny anarany. Lahitokan-dray aman-dreniny izy, avy eto Imerina, taranak'Andriana sady taranaka Mpitandrina. Vao 23 taona izy, izany hoe tamin'ny taona 1926, dia efa nanambady. Niteraka 5 izy sy Marguerite vadiny, ka ilay zanak'izy ireo fahatelo no maty mbola kely.
Hatramin'ny fahakeliny, olona "tsy rototra" sady somary tia mitokatokana i JJ Rabearivelo. Maka zorony sy mitokana mamaky boky izy rehefa misy fivoriam-pianakaviana. Tsy tana mihitsy kosa izy fa mamoaka feo rehefa mamaky tononkalo : toa ny miresaka izy, sady hajainy tsara ny lantolantom-peo miakatra sy midina.
Inona no tena nampiavaka an'i JJ Rabearivelo ?
Teo amin'ny faha-13 taonany izy no tsy nianatra tany an-tsekoly intsony, ka nampiana-tena. Nahatalanjona ny fahaizany, indrindra tamin'ny teny Malagasy, ka nahafahany nitady vola tamina asa fandikana teny. Efa niasany ihany koa na trano famakiam-boky na trano printy. Rehefa nanomboka nanoratra i JJ Rabearivelo, hita taratra ny fanomezany lanja an'i Madagasikara. Tsara ny manamarika fa mpanoratra tamin'ny "vanim-potoana mitady ny very" izy, ka nandray anjara tamin'ny fanairana ny sain'ny mpiray tanindrazana mba hanome lanja ny maha-malagasy sady tsy hanaiky ireo hevi-baovao nentin'ny vahiny. Hainy tsara ny nametraka tamin'ny toerana ambony ny haisoratra, ny riba ary ny teny Malagasy.
Namaly ny filàn'ireo olona marobe mpankafy azy i JJ Rabearivelo, na mpikaroka na manam-pahaizana na olon-tsotra, na teto Madagasikara na tany ivelany. Marobe ireo mpampianatra sy mpankafy ny literatiora tany ivelany no liana tamin'ny asa sorany. Nisy mihitsy aza ireo tononkalo nadika tamin'ny tenim-pirenena maromaro. Namoaka boky maromaro tamin'ny teny Frantsay izy, ka anisan'izany ny "La Coupe des Cendres" (1924), Sylves (1927), "Enfants de l'orphée" (1931) sy ny "Chant pour Abéone" (1936). Amin'ny maha-mpandika teny azy, nisy ireo asa soratra vahiny nadikany tamin'ny teny Malagasy. Ny "Romances sans Paroles" nosoratan'i Verlaine ohatra dia nadikany ka nampitondrainy ny lohateny hoe "Misy ranomaso ato am-poko".
Ankoatra ny tononkalo, namoaka tahirin-kevitra tamin'ny teny Frantsay ny tenany, vokatra izay tena nahaliana teratany vahiny maro. Efa voatendry ho "filohan'ny foiben'ny Hirakanto aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana sy ny nosy manerantany" izy, nandritra ny fivoriana fikambanana poeta malaza manerana izao tontolo izao, tany Vincennes.
Tamin'ny andro nahafatesany, ny 22 jona 1937, mbola noraketiny an-tsoratra ny horohoron'ny fony sy ireo hetahetany farany. Notantarainy mazava mihitsy ny fomba namonoany tena.
Fasana faharoa, tononkalon'i JJR tena malaza
Hita ao amin'ny "Takelaka notsongaina", nosoratan'i Siméon Rajaona, ity tononkalo ity.
Ilay fasako, fasako ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray, faharoa!
Tsy mba vero na mba rangolahy,
no manafina an'io fasana io
fa ny nofoko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.
Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana
Izy ireny no sarin'avelo
mitampody ka sarotra ialana
Ao ny nofy novolavolaina,
izay nisinda nalaky, tsy hita!
Ao no rendrika ilay nantenaina,
ilay sambo nataoko ho tafita!
Ao ny tsantan'ny andro taloha
sy ny hiran'ny fahazazako
no milevina ka tsy mifoha,
na miverina mba hitondra ako!
Ao ny zava-drehetra voakasa,
saingy simba, ka very tadidy!
Ao ny taolan'ny androko lasa,
sy ny ora tsy masi-mandidy!
Ao ny nofo nikipaka mora,
ao ny maty daholo daholo!
Ao malazo na mbola tanora,
ka mianjera tsy mana-mpisolo!
Ilay fasako, fasana ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray faharoa!