• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Délicure
Image
Fahalalana Ankapobeny

Fikarakarana ny volo : Ireo akora natoraly manamandina ny volo

28/02/2025 15:07 © Moov.Mg

Rehefa makiana sy vakivaky ny volo dia mila hamandinina. Maro moa ireo karazana vokatra fikarakarana volo hita eny amin’ny fivarotana samihafa eny. Ny ankamaroan’izy ireny nefa dia misy singa simika mety tena mandaitra tokoa, nefa kosa mety vao maika hanimba ny volo rehefa ela ny ela.

Ny fampiasana akora natoraly manamandina ny volo no azo antoka kokoa fa tsy hisy fiantraikany ratsy any aoriana. Araho eto ary ny santionany amin’izy ireny.

Akora natoraly manamandina ny volo : ny tamenak’atody

Isan’ireo akora natoraly manamandina volo efa fampiasan’ireo razambe hatry ny ela ny tamenak’atody. Manankarena singa iray atao hoe « lutéine » ity farany ka mandaitra amin’ny fanamandinana ny volo. Ankoatra izay dia manalefaka sy mitsabo ny volo vakivaky io akora natoraly io. Kapohana ao anaty lovia jobo ary ny tamenak’atody mba ahazoana fangaro somary mandroatra. Io no ahosotra eo amin’ny tahom-bolo. Avela hilona 10 minitra dia kobanina. Avy eo sasana toy ny mahazatra ny volo.

Ny menaka oliva

Akora natoraly tsy zoviana amin’ny maro intsony amin’ny fikarakarana ny volo ny menaka oliva. Mandaitra indrindra amin’ny fitsaboana ny volo makiana izy io ary manampy amin’ny fiadiana amin’ny volo vakivavy. Tsotra ny fampiasana azy. Maka menaka oliva 1 sotro fihinanana ary io no ampiasaina hanorana moramora ny tahom-bolo. Tandremana tsara tsy ho tratra ny fotom-bolo. Rehefa vita izay dia fonosina anaty servieta mafana mandritra ny 30 minitra ny volo. Aorian’izay dia sasana.

Ny zavoka

Voankazo iray manankarena menaka zava-maniry ny zavoka. Manampy amin’ny fanamandinana ny hoditra sy ny volo izy io. Alaina ny nofon’ny zavoka dia potserina anaty lovia jobo. Asiana tamenak’atody dia afangaro tsara. Io vokatra io no ahositra eo amin’ny volo iray manontolo. Avela hilona mandritra ny 30 minitra vao kobanina. Aorian’izay dia sasana toy ny mahazatra ny volo.

Ny mayonnaise

Vokatra natoraly azo ampiasaina hanamandinana ny volo ihany koa ny mayonnaise. Manatsara ny volo simba sy tapatapaka ihany koa izy io noho izy ahitana menaka sy tamenak’atody. Ny vinaigitra ao aminy kosa dia mampangirana ny volo. Tsara kokoa raha mayonnaise namboarina tao an-trano no ampiasaina. Osorana eo amin’ny tahon’ny volo ny mayonnaise ary avela hiasa mandritra ny 30 minitra. Avy eo sasana tsara amin’ny shampoing sy rano mafana ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires