• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bricoleur Pro-Ouest-France
Image
DYI

Fikafika natoraly hiarovana ny voly amin’ireo bibikely

16/01/2024 13:27 © Moov.Mg

Fahavalon’ny voly rehetra ireo karazana bibikely mihinana sy mamono azy ireny. Maro ireo fanafody simika hita eny an-tsena eny hiadiana amin’izy ireny. Matetika nefa mety manampoizina ny olombelona ary manimba ny tontolo iainana ny fampiasana azy ireny. Izany indrindra no ampiasana ireo fikafika sy fanafody natoraly azo amboarina ao an-trano toy ireto atoro manaraka ireto.

Tongolo gasy hiadiana amin’ny bibikely manimba voly

Ahitana singa iray antsoina hoe « allicine » ao anatin’ny tongolo gasy. Ny « allicine » dia mahatonga mankarary ary mampamaivay toy ny mandoro an’ireo bibikely mpanimba ny voly. Azo ampiasaina amin’ny voninkazo eo amin’ny zaridaina, amin’ny hazo sy amin’ny voly eny an-tsaha ny ody bibikely vita amin’ny tongolo gasy.
Tsotra ny fanamboarana azy. Andrahoina amin’ny rano 1 litatra mandritra ny adiny 4 ora ny tongolo gasy hasiny 4 voatoto. Rehefa vita dia tatavanina mba hiala ny faikany. Atao anaty tavoahangy « pulvérisateur » ilay fangaro efa notatavanina. Raha tsy manana « pulvérisateur » dia afaka maka tavoahangy plastika tsotra dia lavahana kely be dia be ny sarony. Atsifitra amin’ireo voly misy bibikely ilay fangaro namboarina io. Atao mielanelana iray andro ny fampiasana azy mandritra ny tapa-bolana.

Sakay sy savony ranony hamonoana ireo bibikely manimba voly

Toy ny tongolo gasy dia ahitana singa iray mankarary sy mampamaivay ny bibikely manimba voly ao anatin’ny sakay. Izany singa izany dia antsoina hoe « capsaïcine ». Ity farany ihany koa moa no manome ny hasiakan’ny sakay. Rehefa tratr’izany ireo bibikely amin’ny voly dia mitsoaka na maty mihintsy.
Mikasika ny fikarakarana azy dia maka sakay voatoto in-droa ny sotrokely ary araraka anaty rano 1 litatra. Aroharoana tsara hifangaro ary avela hilona mandritra ny ora maro. Avy eo tapohana savony ranony 1 sotro fihinanana dia afangaro tsara daholo. Araraka anaty « vaporisateur » na anaty tavoahangy plastika nolavahana ny sarony io fangaro io. Atsifitra amin’ireo voly ahitana bibikely isaky ny 2 andro. Atao mandritra ny 10 andro.

Akoran’atody nopotehina hiarovana ny voly amin’ny sifotra sy ny lailosy

Ny sifotra sy ny lailosy ihany koa dia isan’ireo biby manimba ny voly sy ny zava-maniry an-jaridaina. Maro ireo zavatra hoanin’izy ireny ary anisan’izany ny ravina zava-maniry. Mazava ho azy fa manimba voly sy voninkazo izy ireny, indrindra mandritra ny fotoana fahavaratra. Mba hiarovana ireo zava-maniry dia misy ireo fikafika azo atao tsy anantonan’ny sifotra sy ny lailosy eo amin’izy ireo.
Anisan’ireo akora azo ampiasaina amin’izany akoran’atody nopotehina. Izany hoe angonina ireo akoran’atody avy nampiasaina. Potehina izy ireo, tsy atao madinika loatra, ary apetraka manodidina an’ireo voly tiana arovana. Azo afangaro amin’ny tain-kafe ihany koa ireo akoran’atody ireo mba handaitra tsara. Mila soloina vaovao isaky ny avy lenan’ny orana satria tsy mandaitra intsony raha tratr’izany.

Lire la suite

Articles Similaires