• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Neostrata
Image
DIY&Kolo-endrika&bika

Masque de grossesse : Fanalana ireo tasy amin'ny tarehy sy ny tenda rehefa teraka

06/12/2024 17:31 © Moov

Tsy vitsy ireo vehivavy misy tasy somary mainty rehefa miha-lehibe iny ny kibo. Inona àry no azo analana azy ireny rehefa teraka ?

Ireo tasy manopy mainty amin'ny tarehy na ny tenda no atao hoe "masque de grossesse". Mety misy faritra hafa ipoirana tasy ihany koa, toy ny lamosina, ny valahana sy ny fe. Eo ho eo amin'ny faha-5 volan'ny kibo eo izy no tena manomboka. Misy kosa ireo vehivavy bevohoka tsy misy ireny tasy ireny raha tsy herinandro vitsivitsy mialoha ny hiterahana.
Marobe ireo milaza fa tokony afaka ho azy ny "masque de grossesse". Mety hijanona eo nefa ireo tasy herinandro maromaro aorian'ny fiterahana, ka izany indrindra no hanatanterahana fikarakarana manokana.

Akora natoraly ihany no ampiasaina

Mandritrany fitondrana vohoka aloha dia tsy tokony ho kitihina ny "masque de grossesse". Ny savony na "gel douche" efa fampiasa mahazatra ihany no azo ampiasaina. Tsy tokony hisy olana nefa ny fanadiovana ny faritra misy tasy amin'ny vahona na amin'ny papay. Rehefa teraka indray dia afaka mampiasa akora somary mahery vaika kokoa.
Azo atao tsara ohatra ny manosotra ranom-boasary makirana amin'ny faritra misy tasy. Mba hahazoana vokatra haingana kokoa, azo atambatra ny karibonetra sy ny voasary makirana ary menaka voanio ka atao karazana "crème". Apetraka amin'ny faritra misy tasy izany avy eo, mandritra ny 10 minitra, ary kobanina amin'ny rano matimaty avy eo. Raha te hampiasa fanaovana "gommage" avo lenta dia vokatra azo avy amin'ny akora natoraly ihany no vidiana.

Mila fitandremana

Mety alaim-panahy ny vehivavy bevohoka na mampinono hanafina ny "masque de grossesse", indrindra rehefa mamonjy fety iny. Mety hampidi-doza nefa ny fampiasana "fond de teint" na "correcteur", indrindra raha misy akora simika tsy zakan'ny hoditra ilay fangaro ampiasaina. Raha tsy maintsy mampiasa vokatra kosmetika isan-karazany, ireo natao ho an'ny hoditra malefaka (peau fragile) no safidiana. Aleo mampiasa vokatra tena azo antoka na dia lafo aza : fadiana mihitsy ireo kosmetika amidy eny amoron-dalana rehetra eny.
Amporisihina ny vehivavy bevohoka sy mampinono mba hampiasa fiarovana amin'ny masoandro satroka na elo, mba tsy hahamay ny hoditra, sady hisorohana ireo tasy isan-karazany. Tena ilaina ny fisotroana rano betsaka sy ny fihinanana voankazo sy legioma mba hahasalama tsara ny hoditra. Matetika mantsy dia tsy ny "hormones" ihany no mampisy tasy ny hoditra fa eo ihany koa ireo "allergies" vokatry ny tsy fahazakana sakafo misy akora simika na be menaka loatra.

Lire la suite

Articles Similaires