Cyclone Freddy 2023 : Ireo toromarika iomanana sy iatrehana ny rivodoza
Amin'ny fotoanan'ny fandalovan'ny rivodoza toy izao dia ilaina ny mampatsiahy ireo toromarika hiatrehina sy ho fiarovana amin'ny loza.
Amafisina ny tafon-trano
Amafisina tsara ny tafo mba tsy ho lasan'ny rivotra. Soloina ny tafo simba. Fantsihina tsara ireo izay hita hoe misokasoka. Ampiana gony feno fasika eo ambony tafo ampitombo vesatra azy ka tsy ho mora zakan'ny rivotra.
Esorina ireo zavatra ahiana ampididoza
Jerena ny hazo lehibe manakaiky ny trano. Raha hita fa mety hianjera eo amin'ny trano na ny tamboho ny habeny dia mila tapahina na esorina. Diovina ny tatatra manakaiky ny trano na ny tamboho. Izany dia misoroka ny fiandronan'ny rano rehefa avy be iny ny orana.
Manangona ny sakafo sy ny enta-madinika ilaina
Rehefa fotoanan'ny rivodoza toy izao, ilaina ny manangona ny sakafo sy ireo enta-madinika ilaina amin'ny andavanandro. Anisan'izany ny vary, menaka, voamaina, siramamy, savony... Sarotra ary mampidi-doza tokoa mantsy ny mivoaka ny trano mandritra ny fandalovan'ny rivodoza.
Tsy adino ihany koa ireo fanafody sy fitaovana amahanana ireo finday na radio