Ankohonana
Rivodoza Freddy 2023 : Samia miomana dieny izao mba isorohana ny loza
Vinavinaina hiditra an-tanety any amin'ny faritra antsinanana eo anelanelan'ny talata sy alarobia ho avy izao ny rivodoza Freddy.
Entanina ny mponina hanaraka ireto hetsika ireto ho fisorohana ny loza :
Fanamafisana ny tafo, varavarana sy varavaran-kely idiran'ny rivotra amin'ny trano.
-Fiarovana plastika ny entana sy taratasy manan-danja.
-Fanangonana vary na voankazo sy vokatra hafa noho ny mety hisian’ny oram-be sy ny rivotra mifofofofo.
Ireo mponina amin’ny faritra misy saina mena, izay atahorana hihotsaka eny amin’ny havoana, dia tsy maintsy mandao vonjimaika ny tranony ary manatona ny tompon'andraikitra ao amin'ny fokontany amin’ny fandaminana tokony harahina.