The Malagasy Way of Life
Madagasikara
Tout voir
Tantara : 'Ndao fantarina ireo Sarintanin'i Madagasikara tany aloha sy ny fivoarany
Efa ilay sarintanin'i Madagasikara mirafidrafitra sy misy faritany enina na faritra 24 mizara mazava no mahazatra ny maro. Maromaro nefa ireo Sarintanin'i Madagasikara efa nisy, arakaraka ny mpikaroka nanao azy sy ny vanim-potoana.
Fialantsasatra any Mahajanga : Ireo toerana mahafinaritra azo ialana voly sy tsidihana
Ny hilalao ranomasina no tena masaka ao an-doha rehefa misafidy an'i Mahajanga amin'ny fialantsasatra toy izao. Maromaro ireo fialam-boly azo tao ankoatry ny mandeha eny amin'ny Plage.
Om-Gui : Mpanoratra, mpihira, mpanabe
Raha vao maheno izany anarana hoe : Om-Gui izany dia ny tarika Ny Ainga no tonga voalohany ao an-tsaina. Talohan’ny naha-mpihira azy anefa dia mpanoratra i Om-Gui ary mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra, fony fahavelony.
Lac sacré Mangatsa : Toerana fanaovana fomba Sakalava sady fonenan'ireo biby arovana
Tsy torapasika ihany no azo sitrahina ao Mahajanga rehefa fialantsasatra toy izao. Maromaro ireo toerana hankafizana ny natiora, ireo biby arovana sy ny kolontsaina Sakalava ao amin'ny faritra Boeny.
Fahasalamana&Sakafo
Tout voirFahalalana Ankapobeny
Tout voir
Fomba fanaovana « poulet caramel vietnamien »
Maro amintsika no mankafy sakafo mamy-masira. Anisan’ireo nahandro mora karakaraina ary tena matsiro ny « poulet caramel vietnamien ». Azo atao laoka tsara izy, nefa koa azo atao tsakitsaky. Araho eto ireo dingana amin’ny fikarakarana azy ao an-trano.
Reraka rehefa avy natory be loatra : inona no mety ho antony ?
Maro amintsika no manararaotra matory ela kokoa rehefa faran’ny herinandro satria sady tsy miasa no tsy mianatra ny mpianatra. Tsikaritra nefa fa raha tokony ho feno hery sy fahavitrihana rehefa mifoha dia toa vao mainka mavesabesatra ny loha ary reraka ny vatana. Inona àry no mety mahatonga antsika hahatsapa havizanana rehefa avy natory ela loatra ?
Sarotin-katsembohana : torohevitra hikarakarana ny hoditra
Zavatra voajanahary manampy ny vatana hifehy ny hafanany ny hatsembohana. Saingy, amin’ny olona sasasany dia mety ho be loatra ny hatsembohana, indrindra rehefa mafana ny andro, manao fanatanjahantena, miady saina… Ny hatsembohana be loatra dia mety hiteraka mony, « irritation », fofona ratsy ary olana hafa amin’ny hoditra raha tsy mitandrina tsara. Ireto misy torohevitra tsotra afaka manampy amin’ny fikarakarana ny hoditra raha sarotin-katsembohana.
Torohevitra hisorohana sy hampitoniana ny fahamainan’ny molotra rehefa ririnina
Rehefa vanim-potoana ririnina toy izao matetika dia ny molotra no isan’ny faritra voakasiky ny hatsiaka voalohany. Mahatsiaro mifandrirotra, vakivaky, misy hoditra kely miempaka ary indraindray mavaivay na manaintaina mihitsy. Ny hatsiaka, ny rivotra ary ny rivotra maina ao an-trano dia mora manimba ny molotra satria faritra tena marefo izy io. Ireto àry misy fihetsika tsotra afaka manampy hiaro sy hampitony azy.
Moovnaute