• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR

The Malagasy Way of Life

Madagasikara

Tout voir
Madagasikara
29/08/2025

Antsiranana : « Trois Baies », toerana mahavariana, ranomasina madio sy fasika mamirapiratra

Ranomasina miloko maitso manopy manga (vert turquoise) sy fasika miloko fotsy mangatsakatsaka. Toy izany avokoa no hita vantany vao miditra ireo « Baie » telo mahavariana ao Antsiranana ao. Ao anatin’izany ny « Baie de Sakalava », ny « Baie des Dunes » ary ny « Baie de Pigeon ». Samy manana ny mampiavaka azy kosa anefa izy telo ireo. Toerana telo samy manana ny maha izy azy sy ny misy azy saingy mifandray. Raha jerena amin’ny sary dia toa mifampibaby ireto baie telo ao Antsiranana ireto.

Madagasikara
19/08/2025

Antsiranana II : Faritra arovana Oronjia, harena voajanahary tsy manam-paharoa eto Madagasikara

Any amin’ny 22 km miala an’i Antsiranana no misy ny Faritra Arovana Oronjia. Ao anatin’ny Distrikan’Antsiranana II. Io toerana io, izay mbola vitsy no mahafantatra azy, dia mitahiry zavaboahary sy kolontsaina tsy fahita firy. Ankehitriny anefa, tandindonin-doza izy noho ny fanimbana ataon’ny olona sy ny fiovan’ny toetr’andro ka mitaky fiaraha-mientana ho amin’ny fiarovana azy.

Madagasikara
17/08/2025

Nosy Lonjo Antsiranana : Vakoka iraisam-pirenena, vato masina ary manan-tantara

Ao afovoan’ny ranomasina miloko manga madio, mivelatra ao anatin’ny iray amin’ireo helodrano lehibe indrindra ao Antsiranana no mijoro sy miseho ny endriky ny Nosy Lonjo. Tsy vato miseho avy ao anaty ranomasina fotsiny izy io, fa mariky ny maha-izy azy ho an’ny mponina ao Antsiranana, ary ivon’ny hasin’ny kolontsaina sy ny natiora ao avaratr’i Madagasikara.

Madagasikara
06/08/2025

Tantara : 'Ndao fantarina ireo Sarintanin'i Madagasikara tany aloha sy ny fivoarany

Efa ilay sarintanin'i Madagasikara mirafidrafitra sy misy faritany enina na faritra 24 mizara mazava no mahazatra ny maro. Maromaro nefa ireo Sarintanin'i Madagasikara efa nisy, arakaraka ny mpikaroka nanao azy sy ny vanim-potoana.

Fahasalamana&Sakafo

Tout voir

Fahalalana Ankapobeny

Tout voir
Fahalalana Ankapobeny
12/12/2025

Fetin’ny farany taona : torohevitra tsy hidirana trosa amin’ny voalohan’ny taona

Maro tokoa ny ankohonana sahirana ara-bola rehefa voalohan’ny taona noho ny tsy fahaizana nitantana ny vola am-pelatanana nandritra ny fety. Azo atao tsara nefa ny misoroka izany rehefa hay ny mifehy ny fandaniana. Araho eto ary ireo torohevitra manampy hitantanana ny fandaniana faran’ny taona mba tsy hidirana trosa amin’ny voalohan’ny taona.

Fahalalana Ankapobeny
10/12/2025

Fahasalamana : ireo vokatsoa azo avy amin’ny « thym »

Isan’ireo zavamaniry manome hanitra ny sakafo fampiasa amin’ny andavandro ny « thym ». Mbola vitsy no mahafantatra fa azo ampiasaina hikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana ihany koa izy io. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo vokatsoa azo avy amin’ny « thym ».

Fahalalana Ankapobeny
08/12/2025

Fahavaratra : ireo torohevitra hiatrehana ny orana am-pitoniana

Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fahavaratra tanteraka isika izao. Avy matetika, ary mahazana mikija, tokoa ny orana. Ilaina fiomanana sy fitandremana ny fiatrehana ny oram-be mba hisorohana ny loza na fanelingelenana samihafa mety ho aterak’izany. Ireto ary misy torohevitra vitsy tsara ampiharina mba hiatrehana am-pitoniana ny fahavaratra.

Fahalalana Ankapobeny
29/11/2025

Andro fahavaratra : Fantaro ireo fiarovantena amin'ny Varatra

Sompatra matetika no andraisan'ny Malagasy ny Varatra milatsaka ka mamono olona na mandrava fananana. Mety hisarika varatra nefa ny tsy fitandremana amin'izao vanimpotoana fahavaratra izao.

Sexualité & Mariage

Tout voir