• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR

The Malagasy Way of Life

Madagasikara

Tout voir

Fahasalamana&Sakafo

Tout voir

Fahalalana Ankapobeny

Tout voir
Fahalalana Ankapobeny
28/09/2026

Ireo olana madinika ao an-trano mety handany vola be raha atao tsirambina

« Robinet » na fantsona mitete, « prise » mafana, triatra kely amin’ny rindrina… maro ireo olana madinika ao an-trano toa tsy dia mampanahy rehefa vao miseho. Misy amin’izy ireny nefa no mety hihitatra sy hiharatsy haingana raha tsy voakarakara. Ary arakaraky ny andrasana ela no mety hampitombo ny vola lany amin’ny fanamboarana. Araho eto àry ny santionany amin’ireo olana ao an-trano tsy tsara avela haharitra.

Fahalalana Ankapobeny
24/09/2026

Ireo fanamarinana tokony hatao alohan'ny handehanana lavitra amin'ny fiara

Mitaky fiomanana kely mialoha ny fanaovana dia lavitra amin’ny fiara. Misy arak’izany ireo fanamarinana tsotra afaka manampy hisorohana ny fahasimbana eny an-dalana, hampitombo ny fiarovana ary hampilamina kokoa ny dia. Na handeha hiala sasatra, na hanao dia ara-barotra, na hamangy fianakaviana, dia ilaina ny manamarina ny toetry ny fiara alohan’ny hiaingana.

Fahalalana Ankapobeny
23/09/2026

Ireo fahazarana ananan’ny olona mahay mitantana ny volany

Tsy voatery ny olona be karama na be fidiram-bola ihany no mahay mitantana ny volany. Matetika aza dia ny fahazarana tsara atao isan’andro sy ny fifehezana ny fandaniana no mahatonga olona iray hanana fitoniana ara-bola. Na kely na betsaka ny vola miditra, dia misy fahazarana mahomby iraisan’ireo olona mahavita mitahiry sy misoroka ny olana ara-bola.

Fahalalana Ankapobeny
23/09/2026

Inona no mahatonga ny tenin’ny tanana tsy mitovy maneran-tany ?

Ankalazaina isan-taona ny faha 23 Septambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin’ny tanana. Natao izy io ho fampahafantarana ny vahoaka ny maha-zava-dehibe ny tenin'ny tanana sy fiarovana ny zon'ny fitenin'ny olona marenina. Maro ny olona mieritreritra fa iray ihany ny tenin'ny tanana ampiasain'ny olona marenina eran-tany. Tsy marina anefa izany. Tahaka ny fiteny am-bava dia nivoatra arakaraka ny fiarahamonina sy ny tantaran’ny firenena samihafa ny tenin’ny tanana. Amin'izao fotoana izao dia mihoatra ny 300 ny tenin’ny tanana ampiasaina manerana izao tontolo izao.

Sexualité & Mariage

Tout voir