Tezitra loatra : Tsy voatery mamotika entana sy mampihatra herisetra !
Tsy mora ny mifehy ny fahatezerana. Na misy zavatra manafintohina mafy aza nefa, tsy voatery handratra olona, hiteny ratsy ny hamotika entana mihitsy.
Mety tezitra avokoa ny olona rehetra, na zaza na olon-dehibe, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny toetrany. Na olona tena tsotra sy be tsikitsiky aza, mety tezitra rehefa misy zavatra mety manafintohina azy. Tsy mitovy kosa nefa ny fanehoana sy ny fampitoaniana ny fo ho an'ny tsirairay. Misy ireo misendoatra be ka mampihatra herisetra mihitsy, ary misy kosa ireo tsy mampiseho fahatezerana ka mitomany mangina avy eo.
Ianarana ny mampitony fo
Tsy fahadisoana akory ny mampiseho fahatezerana. Misy tokoa ireo tsy mahatana fihetseham-po ka mitabataba be, mamono, na manimba zavatra. Ny tena loza dia mety handratra olona na hanala aina, hamotika zavatra lafovidy na hahavoaka vava tsy ambina. Misy mihitsy ireo tapaka lalandrà tampoka ka mamoy ny ainy na mitondra takaitra mandrapahafaty. Tsy mitondra soa mihitsy ny misendoatra rehefa tezitra, na dia iharan'ny tsy rariny sy tojo olana tena saro-bahana aza. Voa maika manampy totraka ny zava-tsarotra efa misy ny fihetsika sy fiteny tsy voalanjalanja rehefa mipoaka ny fahatezerana.
Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy hahafahana mifehy fihetseham-po :
-Andrasana ho tapitra tsara ny zavatra tenenin'ny hafa na dia mahatezitra aza izany ;
-Tsy tonga dia maneho hevitra na fihetsika mahery, ka aleo mangina sy misintaka moramora ;
-Mamonjy toerana mangiana hakana saina tsara sy hitadiavana vahaolana
-Mihaino hira milamina na manao "méditation" hanalàna ireo vesatry .
Raha misy mpamily tsy nanaja ny lalàn'ny fifamoivozana ohatra ka nandona ny fiara nentin'ny tena, tsy vahaolana ny misintona azy amin'ny vozon'akanjony avy hatrany. Mety ho voaheloka noho ny fikasihan-tanana olona ny tena, na dia tsy diso aza tamin'ilay lozam-pifamoivozana. Mety hiharan'ny fitsaram-bahoaka ihany koa raha olona mamy hoditra eny amin'ilay toerana nitrangan'ny loza ilay mpamily nanao fahadisoana. Ny vahaolana mety indrindra dia ny mifampiresaka tsotra, ka mifampidinika izay dingana tokony atao. Mety hanolo ny simba ilay diso, na tsy hanaiky izany ka hamela ny andraikitra amin'ny trano fiantohana.
Tsy azo adinoina fa mety hamono olona ihany koa ny vava tsy ambina, indrindra raha misy tsy fahatomombanana ara-pahasalamana ilay olona ananana olana. Raha teo anivon'ny toeram-piasana indray no niteniteny foana sy namotika fitaovana lafovidy dia mety ho voaroaka, indrindra raha teo imason'ny tompon'andraikitra no tsy nahafehy fahatezerana.
Ilaina ny maka fotoana isainana
Araka ny efa voalaza etsy ambony, fahendrena ny maka fotoana ieritreretana aloha raha misy tranga mahatezitra mafy. Tsy mahasoa ny miditra anatina fifamaliana, indrindra raha mety hitarika amin'ny fifampikasihan-tanana izany. Mila mitony aloha, hahafahana mandinika tsara ny zava-misy sy izay tokony atao. Tsy midika faharesena akory ny fahanginana. Rehefa tony tsara dia afaka manavaka tsara izay fanapahan-kevitra tokony raisina.
Ireto misy torohevitra mety hampihena ny hasiahana sy ny hakizintinana :
-Manao fanatanjahantena izay tena tiana, ary asiana programa raikitra mihitsy fa tsy hoe rehefa mahatsiaro ihany ;
-Matory tsara sy mihinana sakafo ara-pahasalamana. Ny tsy fahampiana Magnésium ohatra dia misy fiantraikany ratsy amin'ny fiasan'ny atidoha, ka ho lasa mora tohina loatra ny olona iray ;
-Manao izay fialamboly tena tiana ;
-Mianatra mahatoky tena nefa tsy manambany ny hafa.
Miainga ao an-tokantrano ny fahaizana mifehy ny fahatezerana. Raha mahay mampitony fo sy miresaka am-pilaminana hatrany i dada sy i neny dia hanahaka hoazy ny ankizy. Raha tezi-dava sy tsy mahay mifehy fahatezerana mantsy ny ankizy, mety hamalivaly na hiteny ratsy mpampianatra, na koa handratra ny mpiara-mianatra aminy. Tsy misy olona tongalafatra nefa, ka ilaina hatrany ny fifanitsiana am-pitiavana.