Solondrono lany daty : inona no mety ho fiantraikany ?
Sakafo iray novokarina manokana hitondra ireo otrikaina sy mineraly rehetra ilain’ny vatan’ny zazakely ny solondronono. Toy ny vokatra avy amin’ny ronono rehetra nefa dia mety ho simba izy ireny rehefa mandeha ny fotoana. Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalaman’ny zazakely ny fisotroana solon-dronony lany daty.
Ireo mety ho vokadratsin’ny solondronono lany daty eo amin’ny zazakely
Ho an’ny zazakely latsaky ny 6 volana dia ny rononon-dreny na ny solondronono irery ihany no sakafo omena azy ireny. Mila fitandremana tsara nefa ny fanomezana solondronono ny zaza, na eo amin’ny fahadiovan’ny fitaovana, ny fatra na koa ny datiny. Raha lany daty ny solondronono homena ny zazakely dia mety hisy fiantraikany ratsy toy ny :
-Olana eo amin’ny fandevonan-kanina. Ny solondronono efa simba na lany daty dia mety hisy tsiro marikivy sy ho ratsy fofona. Raha tafisotro azy io ny zazakely dia mety haloiloy, handoa, hangotika ny kibony na koa hivalana ;
-Fihenan’ny otrikaina sy mineraly azo. Rehefa tehirizina ela loatra ny solondronono, indrindra izay efa nisokatra ny boaty, dia lasa mihena ny otrikaina entiny, toy ny vitamina sy ireo mineraly ilaina amin’ny fitomboan’ny zaza. Raha lany daty moa ny solondronono dia mety ho kely dia kely sisa ny otrikaina entiny ho an’ilay zazakely ;
-Fitondrana bakteria mankarary ny zazakely. Marina fa tsy mora ahitana bakteria toy ny ronono ranony ny vovoka solondronono. Mety hidiran’ny bakteria nefa ity farany raha misy simba ny boatiny na tsy ara-dalàna ny toerana hitehirizana azy. Raha lany daty ihany koa ny solondronono dia mety hisy bakteria miteraka otrikaretina sarotra eo amin’ny zazakely satria mbola tsy matoy ny hery fiarovan’ity farany.
Ahoana ny hamantarana solondronono lany daty na efa simba ?
Mba hitandrovana ny fahasalaman’ny zaza sy hiarovana azy ary dia mila tandremana tsara ny solondronono homena azy ireny. Anisan’ireo fambara hamantarana ny solondronono lany daty na efa simba ny :
-Fijerena tsara ny datin’ilay solondronono. Misoratra eo amin’ny boatin’ilay vovon-dronono ny fe-potoana azo hitehirizana azy io ela indrindra. Fadiana arak’izany ny manome solondronono efa nihoatra ny daty farany voalaza eo amin’ny fonony io ;
-Dinihana tsara ny endrik’ilay solondronono. Raha vaovao sy mbola azo antoka tsara izy io dia miloko fotsy somary manopy mavo malefaka ary manify tsara ny vovony. Raha simba ity vovon-dronono natokana hoan’ny zazakely ity dia lasa mitambaingambaingana, miova loko na mamoaka fofona ratsy ;
-Andramana (anaty fahamailoana). Raha tsy azo antoka ny solondronono dia andramana kely mihintsy. Raha misy tsiro marikify na somary mangarangarana dia tsy azo homena ny zazakely fa ariana avy hatrany.
Ahoana no atao raha tafisotro solondronono lany daty ny zaza ?
Raha tafasotro solondronono lany daty amin’ny fatrany kely ny zazakely nefa tsy maninona izy dia mety tsy tokony hisy hampanahy. Mazava ho azy fa tsy homena io solondronono io intsony kosa nefa izy. Raha toa kosa ka ahitana fambara toy ny hoe maloiloy, mandoa na mivalana ny zaza dia entina avy hatrany any amin’ny mpitsabo.