• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Programme Malin
Image
Reny&Zaza

Sakafon-jaza 6 volana : Tsara raha amboarina ao an-trano

13/02/2025 15:40 © Moov.Mg

Maro ireo karazan-tsakafo tonga dia vonona ho an'ny zaza 6 volana no mihoatra. Anisan’izany ny legioma sy ny voankazo « petits-pots », ny « céréales »… Mila mitandrina tsara nefa amin’ireny karazan-tsakafo ireny sao sanatria lany daty na koa misy singa tsy zakan’ny zazakely. Raha azo atao, amboarina ao an-trano ny sakafon-jaza 6 volana mba ho azo antoka tsara ho an’ny fahasalamany.

Sakafon-jaza 6 volana vita amin’ny legioma

Ny legioma no isan’ireo sakafo mitondra otrikaina betsaka ilain’ny vatan’ny zaza amin’ny fitomboany sy amin’ny fahasalamany. Raha vao manomboka misakafo ny zazakely dia mazava ho azy fa atao malemy tsara ny nahandro homena azy ary safidiana tsara ireo akora ampiasaina.
-Anisan’ireo sakafon-jaza 6 volana vita amin’ny legioma afaka amboarina ohatra ny « purée de légumes » na hoe legioma nopotserina. Azo ampiasaina avokoa na ny karaoty, ny ovy, ny voatavo, ny brocoli, ny korzety… Androhoina amin’ny entona na amin’ny rano ny legioma, ka potserina atao malemy tsara amin’ny « mixeur » na amin’ny sotro rovitra avy eo.
-Azo asiana fangarony hafa manome tsiro azy ny legioma nopotserina. Anisan’ny azo ampiasaina ohatra ny dibera, fromazy mafy nokikisana na ny fromazy malemy, tamenak’atody natao œuf dur, nofon-trondro, sns. Azo asiana sira kely ihany koa. Mazava ho azy fa afaka ampiarahana ihany koa ny legioma fa tsy voatery legioma iray ihany no ampiasaina.

Sakafon-jaza vita amin’ny voankazo

Sakafo manan-danja sy tena ilaina amin’ny fampahafantarana tsiro ny zazakely vao manomboka misakafo ny voankazo. Etsy andaniny dia mitondra otrikaina ilain’ny vatan’ny zaza ary indrindra fibra manatsara ny fandevonan-kanina ihany koa io sakafo io.
-Atao « compote » ny voankazo. Izany hoe andrahoina amin’ny entona na amin’ny rano ny voankazo avy eo potserina atao malemy tsara. Karazana voankazo iray isaky ny manamboatra no ampiasaina. Tsara kokoa raha voankazo mamy no safidiana satria tsy dia tsara ny mampiasa siramamy hanamamiana azy. Ny paoma, poara, paiso no tena mora karakaraina.
-Atao « purée » ny voankazo. Izany hoe ilay voankazo masaka tsara iny no tonga dia potserina atao malemy tsara ka iny no omena ny zaza. Anisan’ireo voankazo afaka atao izay moa ny akondro, ny voatabia. Tsara kosa nefa raha efa herinandro maromaro taorian’ny nanombohana nanome ny sakafon-jaza 6 volana vao omena ity voankazo nopotserina ity ny zaza.

Lire la suite

Articles Similaires