Zazakely marenina : ahoana ny fomba hamantarana azy ?
Amin’ny ankapobeny ny zazakely marenina dia somary kizitina sy mora leo noho izy miezaka mamantatra hatrany ireo zavatra lazaina aminy tsy henony tsara. Maro no mihevitra fa ny zaza mangina be sy tsy milamina be no mety manana olana amin’ny fahenoana. Ny mifanohitra amin’izany nefa matetika no hita. Andeha ary ho resahana eto ny fomba ahafantarana ny zaza marenina.
Ireo fambaran’ny zazakely marenina na manana olana amin’ny fahenoana
Miankina amin’ny taonan’ny zaza no ahitana ireo fambara hoe marenina na manana olana eo amin’ny fahenoana izy. Misy ary ireo fambara mila arahana maso mandritra ny fitomboan’ny zaza.
-0 hatramin’ny faha 3 volana : tsy mitsamboatra izy raha misy feo mafy be tampoka, matory be foana izy na misy tabataba be aza manodidina azy ;
-Manomboka ny faha 6 volana : tsy mibadabada, tsy mitoditodika raha maheno feo fa zavatra hitan’ny masony ihany no arahany sy mampitodika azy ;
-9 hatramin’ny 12 volana : tsy manao izay zavatra ampanaovina azy raha tsy arahana baiko moana ;
-Manomboka ny faha 12 volana : tsy mbola mahay miteny zavatra tsotra toy ny hoe dada na mama ;
-Manomboka 18 volana : tsy mahay manondro ireo faritra amin’ny vatana, tsy mahay mamoaka teny tsotra misy heviny ;
-2 taona : tsy mahavita mamantatra sary, tsy mahavita mandahatra andianteny misy heviny, ohatra hoe « lasa niasa dada » ;
-3 taona : tsy mahazo torolalana sarotsarotra ;
-4 taona : sahirana miteny sy miresaka.
-Manomboka faha 4 taona : ampiakariny foana ny feon’ny fahitalavitra, baiko moana matetika no ampiasainy rehefa maneho hevitra, tsy mahare feo maranitra, tsy taitra amin’ny torimaso raha misy tabataba be aza, tsy mamaly mihintsy rehefa antsoina avy any amin’ny efitra hafa, manana fahasahiranana amin’ny fianarana.
Ahoana no atao raha marenina ny zanaka ?
Vao teraka ny zaza matetika dia efa manao fizahana ny sofina mba ahitana mialoha raha manana olana amin’ny fahenoana izy. Miankina amin’ny valin’ny fizahana no hamaritan’ny mpitsabo ny fandraisan-tanana sahaza azy. Manampy amin’ny fahamerana ireo mety ho fiantraikany amin’ny fahafahan’ny zaza miteny, mifandray amin’ny hafa, mianatra… moa izany.
Marihana moa fa tsy voatery hita dieny vao teraka io olan’ny fahenoana eo amin’ny zaza io. Noho izany antony izany noho ilaina ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny zaza sy ireo mety fambaran’ny marenina eo aminy. Misy tokoa mantsy ireo fambara tsy miseho raha tsy rehefa any aoriana, toy ny hoe rehefa tanora na lehibe mihintsy ilay olona. Raha misy mampanahy dia fanantonana mpitsabo ihany no vahaolana tsara indrindra.