Fahasalaman’ny zaza : tandremo fa saropady ny fanadiovana ny biberon !
Araka ny voka-panadihadiana nataon’ireo mpikaroka, voalaza fa ny zaza ampiasana biberon no tena mivalana matetika. Ny biberon tsy voadio tsara matetika no mahatonga izany fa tsy ilay solondronono. Inona àry no maha saropady ny fanadiovana ny biberon ary ahoana ny fomba fanatanterahana izany ?
Ireo antony mila hanadiovana tsara ny biberon ?
Ny biberon no isan’ireo fitaovana fampiasa indrindra hanomezana solondronono ny zazakely. Mila atao madio tsara hatrany izy ireny vao ampiasaina mba hisorohana ireo mety ho vokadratsy aterak’izy ireny raha tsy voadio tsara.
Anisan’ireo antony maha-saropady ny fahadiovan’ny biberon ny :
-Fanakanana ny fiparitahan’ny bakteria mety hankarary ny zaza. Ny solondronono tokoa mantsy dia mora hiforonana sy hitomboan’ny bakteria sy ny mikraoba. Mila sasana tsara izany ny biberon avy nampiasaina mba hiala avokoa ireo loto tao aminy.
-Fisorohana ny areti-kibo eo amin’ny zaza. Ny ambina solondronono ao anaty biberon dia mora mivadika, eny na afaka ora vitsy aza. Raha tafisotro azy ireny ny zazakely dia mety harary kibo, hivalana na koa handoa. Mila afaka tsara avokoa arak’izany ireo ambina solondronono rehefa manadio biberon.
Ahoana ary ny fomba fanadiovana ara-dalàna ny biberon ?
Mba hadio tsara tsy misy hatahorana ho an’ny fahasalaman’ny zaza ny biberon dia toy izao ny fomba ara-dalàna tokony hanadiovana azy :
-Miaraka sasana avokoa ny biberon, ny tétine ary ny sarony. Mila saratsarahana kosa nefa izy ireo mba ho voadio tsara avokoa ireo faritra rehetra eo aminy mety mitazona loto.
-Savony sy rano no ampiasaina. Kosehana amin’ny éponge sy savony manokana (tsy ampiasaina amin’ny zavatra hafa) ny ao anatin’ny biberon. Kosehana tsara mba hialan’ny ambina solondronono. Tsara raha mampiasa « goupille », izay fitaovana iray fampiasa hikosehana sy hisokirana tsara ny ao anatin’ny biberon.
-Rehefa manadio ny tétine dia sokirina tsara ilay lavaka sy ny lohany satria ao amin’ireo toerana ireo matetika no mitsofoka sy mijanona ny bakteria ratsy. Raha tsy manana fitaovana manokana fanadiovana ny tétine dia azo atao ny mandona azy amin'ny ranon-tsavony ary somary potserina ny lohany hivoahan’ireo loto.
-Kobanina tsara amin’ny rano madio ny biberon. Atao afaka tsara ny ranon-tsavony ao anatiny sy ao ivelany. Tsy fafana ny biberon, tétine sy ny sarony fa tonga dia apetraka ao anaty vilany antonona azy rehetra. Fenoina rano mandrakotra tanteraka ny biberon ny vilany. Ampangotrahana mivadibadika mandritra ny 5 minitra fara fahakeliny.
-Bataina ny vilany ary esorina avy hatrany tao anatin’ny rano ny biberon, ny tétine sy ny sarony. Tsy raisina amin’ny tanana fa alaina amin’ny pince ireo fitaovana ireo. Tsy azo kitihana tanana ny vavan’ny biberon, ny tétine sy ny anatin’ny sarony.
-Avela hitsiaka mihoho eo ambony lamba madio ny biberon, ny sarony sy ny tétine. Tsy fafana lamba, na lamba madio aza satria ny lamba mety vao maika hitondra bakteria ao amin’izy ireo. Raha ampiasaina eo noho eo ny biberon dia ahifikifika mba hivoahan’ilay rano.