• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Ekar Ambodifotatra Sainte-Marie, fiangonana katolika voalohany teto Madagasikara

11/07/2024 11:32 © Moov

Teo anelanelan'ny taona 1837 sy 1857 no namboarina ho trano mafy (construction en dur) ny fiangonana katolika voalohany teto Madagasikara, dia ny EKAR Notre Dame de l'Assomption Ambodifotatra, any amin’ny Nosy Boraha na Sainte Marie.

Tamin'ny fotoana nanjakan-dRanavalona I, ny taona 1828 hatramin'ny 1861, dia voaenjika ny fivavahana kristiana. Ireo protestanta no tena niharan'ny famaizana mafy, ka nisy tokoa ireo nogadraina sy novonoina. Tetsy andaniny, ny Printsy Rakoto na i Radama II dia nanohitra izany fijerin'ny mpanjakavavy izany, ka nifandray tamin'ireo misionera tany ivelany. Izany no nahafahana nanasonia ny fifanarahana antsoina hoe Charte Lambert, tamin'ny jona 1855. Talohan'ny taona 1845 tany ho any dia efa nisy misionera katolika teto Madagasikara. Ny pretra Zezoita Marc Finaz no lehiben'ny Misionera teto Madagasikara tamin'izany. Tany amin'ireo nosy ivelan'i Madagasikara, toa an'i Nosy Be sy Sainte Marie no tena nahitana ireo mpino katolika.
Tao amin'ny Nosy Boraha manokana, nisy pretra natsoina hoe Pierre Dalmond izay tonga tao ny taona 1837, ka nanomboka ny tetikasa fananganana fiangonana maharitra (construction en dur). Noho izany indrindra no nananan'i Madagasikara eglizy katolika mafy fototra tamin'ny taona 1857, dia ny Ekar Ambodifotatra Sainte-Marie. Mirefy 35 metatra ny lavany, 10 metatra ny sakany, ary 12 metatra ny haavony. Maty ny taona 1847 moa io pretra io, ary milevina ao ambanin'ny ôtelin'ny fiangonana. Ireo mpino nofanin'io pretra io no namita ny asa, ka ny taona 1857 vao vita tamin'ny ankapobeny izany. Ny taona 1859 nefa vao tanteraka hatramin'ny pitsopitsony ny asa rehetra, ka nosalorana ny anarana hoe "Immaculée Conception" ilay fiangonana.

Tsara izany ny manamarika fa mety efa maromaro ireo mpino katolika nivondrona sy nanana trano fiangonana kely, saingy ny Ekar Ambodifotatra aloha no manana trano fivavahana naorina tamina akora mafy (construction en dur) voalohany.


Copyright Image : © Moov

Anisan'ireo toeram-pizahantany mampiavaka an'i Sainte Marie ny Ekar Notre Dame de l'Assomption Ambodifotatra. Tsy maintsy andalovana io toerana io satria tena renivohitry ny Nosy Boraha. Hita ao ny tsena isan-karazany sy ny seranan-tsambo. Raha mandeha sambo moa miditra an'i Sainte-Marie dia tsy maintsy mahatazana io fiangonana io.
Tsy vitsy ireo vahiny na malagasy mpanao vakansy no maka sary, ao anatiny na eo ivelan'ny fiangonana. Tamin'ny taona 2023 dia nisy ny asa fanavaozana io eglizy io. Nahitana fahasimbana mantsy ny trano taorian'ireo rivodoza nifanesy. Aza adino izany ny maka sary eo anoloan'ny fiangonana rehefa mandalo ao Sainte-Marie, indrindra fa amin'izao fotoam-pialan-tsasatra izao. Marihana fa ny Alahady ihany, mandritra ny lamesa, vao azo idirana ny eglizy. Ao Ambodifotatra no misy ny fiangonana, izany hoe mianavaratra raha miainga eo amin’ny Seranan-tsambo, eo amin’ny Office du Tourisme. Azo atao tsara ny mandeha an-tongotra, eo ho eo amin’ny 10 minitra, manaraka ny « Rue Raymond Vergès », lalana mihazo ny EPP sy ny CEG.


Copyright Image : © Moov

Efa harem-bako-pirenena Ekar Ambodifotatra Sainte-Marie nanomboka tamin'ny taona 1983. Mbola eo an-dalam-pikarakarana kosa nefa ny fampidirana azy ao anatin'ny lisitry ny ny harembakoky ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO).
Misy toerana manokana feno fasana ao ambadiky ny fiangonana. Ireo relijiozy sy fianakaviamben’ny Eglizy katolika ao Sainte-Marie no milevina ao. Fasam-bahiny ihany koa izy io ka misy ireo mpivahiny tsy manana fasana no milevina ao.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires