• Cours de change
  • 4746.7 AR
  • |
  • $4418.53 AR
Copyright Image : © Mamie & Co
Image
DYI

Fomba fanadiovana fitaratra mahomby

22/04/2024 13:40 © Moov.Mg

Isan’ireo zavatra mora maloto ao an-trano ny fitaratra. Maro ireo zavatra mety mandoto azy ireny : vovoka, dian-tanana, hamandoana, ranon’ando, enton’ny sakafo… Misy fotoana sarotra esorina tokoa ireo loto amin’ny fitaratra. Ireto ary misy torohevitra mahomby hanadiovana azy ireny.

Vinaigitra fotsy : manadio tsara ny fitaratra ao an-trano

Efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny asan’ny vinaigitra fotsy amin’ny fanadiovana ireo fitaovana ao an-trano. Mandaitra ihany koa izy io amin’ny fanadiovana ny fitaratra. Tsotra moa ny fikarakarana azy. Afangaro ny rano mafana ¾ litatra (iray latsaka fahefany) sy ny vinaigitra fotsy ¼ (fahefany). Lemana amin’io fangaro io ny lamba madio (chiffon) hanadiovana ary fafana aminy ny fitaratra maloto. Tsy mila kosehina mafy fa fafana tsotra fotsiny dia tokony miala ireo loto. Azo ampiasaina amin’ny fanadiovana ny fitaratra ao amin’ny trano fidiovana niraiketan’ny « calcaire » avy amin’ny rano ihany koa ity fangaro ity.

Lavenona : manala ireo tasy miraikitra amin’ny fitaratra

Ny lavenona ihany koa dia vokatra iray efa fampiasa amin’ny fanadiovana fitaovana samihafa ao an-trano. Manampy amin’ny fanadiovana ny fitaratra ihany koa izy io. Mazava ho azy fa tsy ny fitaratra iray manontolo no osorana lavenona. Ireo faritra misy tasy sarotra esorina ny ampiasana azy io. Alaina ny lamba fanadiovana (chiffon) ary somary lemana rano matimaty. Asiana lavenona kely ary hikosehana ny tasy mila esorina eo amin’ny fitaratra. Somary kosehana mafimafy mba hampiala ilay loto. Rehefa vita izay dia sasana toy ny mahazatra ny fitaratra. Izany hoe mampiasa ranon-tsavony natokana ho an’ny fitaratra, rano ary lamba fanadiovana. Afaka soloina vinaigitra fotsy ihany koa izy io.

« Glycérine » : manadio ny fitaratra sady manakana ny vovoka tsy hiraikitra aminy

Vokatra hanamandinana ny hoditra no ahafantaran’ny ankamaroantsika ny « glycérine ». Ankoatra izay nefa dia afaka ampiasaina amin’ny fanadiovana ny fitaratra misy loto miraikitra sy sarotra esorina izy io. Fafana amin’ny lamba maina aloha ilay fitaratra mba hiala ny vovoka. Alaina ny lamba fanadiovana ary lemana rano. Avy eo asiana « glycérine » kely in-dimy mitete (5 gouttes) ary izay no hanadiovana ny fitaratra. Somary kosehana mafimafy eo amin’ireo faritra misy loto sarotra alàna. Tsy voatery kobanina amin’ny rano fa rehefa afaka ny loto dia vita. Manakana ny vovoka tsy hiraikitra amin’ny fitaratra ny fijanonan’ny « glycérine » eo aminy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo