• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Torohevitra mba ahitana tory tsara mandritra ny fitondrana vohoka

15/04/2024 15:00 © Moov.Mg

Anisan’ireo toe-javatra mampijaly matetika ny bevohoka ny tsy fahampiana torimaso. Isan’ireo antony mahatonga azy ireo ho mora vizaka ihany koa moa izany. Fa inona no mahatonga ny bevohoka ho ratsy torimaso ? Ahoana ary no tokony ataon’izy ireny mba ahazoana torimaso tsara mandritra ny fitondrana vohoka ?

Inona no mahatonga ny bevohoka ho ratsy torimaso ?

Maro ireo anton-javatra mahatonga ny vehivavy ho ratsy torimaso mandritra ny fitondrana vohoka. Anisan’izany ny :

Fiovana ara-batana

Rehefa mihalehibe ny zaza ao an-kibo dia mila toerana malalaka kokoa izy ka mitombo manarak’izany ny kibon’ny bevohoka. Misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny torimason’ity farany moa izany satria lasa te hipipy lava, marary lamosina, misy krampy ny ranjo sy ny tongotra, sahirana mitady ny fomba hatoriana satria toa tsy mahazo aina na mitsilany na miorirana, sahirana tampoka miaina satria voaterin’ny tranon-jaza ny tratra…

Fiovan’ny hormonina

Miovaova ny hormonina ao amin’ny vatan’ny vehivavy mandritra ny fitondrana vohoka. Misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny torimaso izany fikorontanan’ny hormonina izany. Amin’ny fiantombohan’ny fitoe-jaza dia mampatory be ny hormonina vokarin’ny vatana. Io ihany koa moa no maha be torimaso ny bevohoka mandritra ny tontolo andro. Rehefa mandroso lavitra ny fitondrana vohoka dia miova ny hormonina vokarin’ny vatana ambony kokoa ka izy io no maharatsy torimaso.

Antony ara-tsaina

Ara-dalana raha toa ka miteraka fitaintainana ny fitondrana vohoka. Maro ireo zavatra mety mampiasa saina ny bevohoka, toy ny hoe mitombo tsara sy salama tsara ve ny zaza ao am-bohoka ? Tsy atahorana ho afa-jaza tampoka ve ? Hanao ahoana ny fiterahana ?... Izany fiasana saina izany dia mety hiteraka tebiteby tsy mampahita tory amin’ny alina. Mety mahatonga nofy ratsy ihany koa aza moa izany ka hanapaka torimaso.

Ahoana ary ny atao mba ahitana tory tsara mandritra ny fitondrana vohoka ?

Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy azon’ny bevohoka ampiharina mba ahitany tory tsara mandritra ny fitondrana vohoka :

Mametraka fahazarana manatsara ny torimaso

Ny fametrahana fahazarana manatsara ny torimaso dia manampy betsaka ny bevohoka ahita tory tsara. Anisan’ny tokony atao amin’izany ny fandehanana matory sy ny fifohazana amin’ny fotoana voafaritra ; ny fatoriana amin’ny toerana milamina lavitra ny tabataba sy ny hazavana ; tsy mijery « écran » ora 1 alohan’ny handenana matory ; tsy misotro rano be intsony alohan’ny handehanana matory…

Matory miorirana havia

Tsara kokoa ny matory miorirana noho ny matory mitsilany, indrindra rehefa manomboka ny faha 4 volan’ny fitondrana vohoka. Izany dia mba hisorohana ny aretin-damosina sy ny tsy fahalevonan-kanina. Tsara ihany koa raha miorirana havia mba hanatsara ny fikorian’ny rà mankany amin’ny zaza ao an-kibo sy any amin’ireo taovan’ny reny. Miaro amin’ny fiandronan’ny rano any amin’ny ranjo sy ny « chevilles » ihany koa moa izany.

Manetsiketsika vatana matetika

Manampy betsaka amin’ny famokarana ny hormonina manatsara ny torimaso sy mampitony ny vatana sy ny saina ny fampietsiketseham-batana mandritra ny fitondrana vohoka. Mampihena ny tebiteby sy ny adin-tsaina eo amin’ny bevohoka ihany koa izany. Tsara kosa nefa raha fanatanjahantena sahaza ny bevohoka no atao. Tsy adinoina etsy andaniny ny mihinana sakafo ara-pahasalamana sy ny misotro rano tsara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo